Archives quotidiennes: 29 juin 2021

Distrikan’i Betafo – Antsirabe I : nisy ny fizarana « Titre » faobe androany

0
Nanantontosa fizarana karatany tany amin’ny distrikan’i  Betafo Sy tao   amin’ny fokontany Ambohimanarivo Antsirabe I androany ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy . Zava-dehibe ny fisitrahan’ny Malagasy izany, ary tafiditra amin’ny politika momba ny « sécurisation foncière ».

Rocade d’Iarivo : tokony hajaina ny lamina napetraka rehetra

0
Ho hentitra ny fampanaran-dalàna, hikajiana ny fotodrafitrasa « Rocaden’ Iarivo » araka ny nambaran’ny talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy eto Analamanga androany. Tsy azo atao arak’izany ny mivarotra amin’ny sisin’iny lalana iny. Misy ihany koa ny lamina apetraka ho an’ny fiara fitateram-bahoaka sy ireo fiara manaja ny hafainganam-pandeha rehefa mampiasa ny Rocade.

25 Jona -26 Jona 2021 : olona 233 no natao fizahana tetsy amin’ny CHUJRA

0
Niakatra ny isan’ireo olona tonga natao fizahana tao amin’ny CHUJRA ny andron’ny 25 sy 26 Jona teo raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa. Niakatra toa izany ihany koa ny isan’ireo olona maty. Raha toa ka 01 izany tamin’ny taon-dasa, tafiakatra 05 izany tamin’ity taona ity. Tranga ara-piarahamonina no mamaritra ny antony betsaka nahatongavan’ireo olona teny amin’ny hopitaly.

« Vaccin Covishield » : hitohy ny fanaovana vaksiny hoy ny Praiminisitra

0
Malagasy miisa 800 000 no ezahina ho vita vakisiny amin’ity taona 2021 ity. Azon’ny rehetra ato ny  mandeha any amin’ny firenena europeanina  na  tsy vita vakisiny, fa misy ny fepetra izay napetraka. Misy ihany koa amin’izao ny fijerena ny fampidirana ny vakisiny  covishield.  Omaly nitondra fanazavana mahakasika ny fanambarana nataon’ny masoivoha  frantsay amin’ny tsy feneken’izy ireo ny vakisiny covishield izay azo tamin’ny  « initiative covax » ny praiminisitra lehibe ny governemanta.