Accueil 2021 juin

Archives mensuelles: juin 2021

TETIKASA « PAIR » : hahafahana manangana fotodrafitr’asa maro

0
Mandroso amin’izao fotoana izao ny fanatanterahana ny tetikasa PAIR na ny Projet d’amenagement des infrastructures Routières. Tafiditra anatin’ny asa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9, tetezana Befandriana sy Pomay sy ny fanavaozana maro hafa.

Belobaka : notokanana ny Centrale solaire hamatsy jiro ny mponina

0
Tsy hisy intsony afaka fotoana fohy ny olana amin'ny famatsiana herinaratra ao amin'ny faritra Boeny. Androany nitokana ny centrale solaire tao Belobaka Mahajanga II, izay hamatsy jiro ireo mponina ao amin'ny faritra Boeny ny filohan'ny repoblika. Ankoatra izay, fametrahana vato fototra roa sosona no nataony tao amin'ny Distrikan’ i Soalala faritry Boeny, ho fampandrosoana iny faritra iny.

Iray volan’ny teny Malagasy : “Izay manaja ny teniny, manaja ny taniny”

0
Iray amin’ny antoky ny fahombiazana ny fifehezana ny teny reny. Volana Jona, entina hanamarihina ny teny Malagasy. “Izay manaja ny teniny, manaja ny taniny”. Izay ny lohahevitra entina manamarika izany.

Fanafarana vaksiny : tokony hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra

0
Raha tiana ny hanatratrarana ny fetr’isa takian’ny OMS amin’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara, tsy tokony hionona fotsiny amin’ny INITIATIVE COVAX ihany ny fanjakana fa hanetsika ny lalana rehetra mety hahazoana ny vaksiny anatin’ny mangarahara. Ilaina ny fametrahana drafitra matipaika mahakasina ny fanaovam-baksiny raha ny nambaran’ireo misehatra amin’ny fitsaboana.

Suivi Midongy

0
Misy fivoarana ny toe-draharaha any Midongy Atsimo amin’izao fotoana izao. Efa saika tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby lasan’ny andian-dahalo. Ao anatin’ny fanaterana ny fanampiana any an-toerana ihany koa ny angidim-by nanomboka androany ary velom-panantenana tamin’ny kabarin’ny filoha omaly ny vahoaka ny amin’ny hijerevana akaiky ity distrika ity.

Oniversite – Fianarantsoa : nanakatona ny Office du Bacc ireo mpandraharaha

0
Niroso tamin’ny fanakatonana ny « Office du Bacc » ao Ambalapaiso mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Oniversiten’i Fianarantsoa androany. Ireo mpandraharahan’ny Oniversite izay nilaza fa tsy hiverina amin’ny asany raha tsy misy aliny mahafa-po ay amin’ny minisitera tompon’andraikitra.

« Rocade d’Iarivo » : mamarana ny asa ankehitriny ny orinasa

0
Miditra amin’ny dingana famaranana ny fanamboarana ny lalana Rocade-n’Iarivo, na ny Rocade Est Nord Est amin’izao fotoana izao. Ity tetikasa ity izay tontosa tamin’ny alalan’ny fitohizan’asa ny fitondrana nifandimby. Tanjona ny hitondrana vahaolana samihafa ho an’Antananarivo amin’ny lafiny fanajariana ny tanàna.

Fanamboaran-dalana : lalana mirefy 180km mampitohy an’i Katsepy sy Soalala no hatomboka

0
Fitsidihana ireo district sy fitokanana fotodrafitrasa no nanamarihan'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina ny Androny tsingeritaona naterahanany omaly. Lalana mirefy 180km mampitohy an'i Katsepy s'y soalala no hatomboka ary Efa Tonga any an-toerana n'y fitaovana hanaovana izay. Hiverina hisitraka jiro amin'ny alalan'ny tolotra omen'ny Jirama ny mponina ao katsepy raha ny fanambarana nataon'ny filoha nandritra ny fandalovany tany an-toerana omaly. Notokanan'ny filohan'ny repoblika nandritra ny fandalovany tao Namakia omaly ihany koa ny lalana mirary vato.