Accueil 2021 juillet

Archives mensuelles: juillet 2021

Zaza Kanto : mitohy ny fanamafisana ny mozika sy ny fianarana

0
Mitohy ny fanamafisana ny mozika ho an’izy 8 miarahalahy mpikambana anatin’ny Zaza Kanto hatreto. Maro ny hira vaovao hivoaka ary tsy mena mitaha amin’ny « tsy mahalala menatra » nahafantarana azy ireo, araka ny resaka nifanaovan’ny Zaza Kanto tamin’ny mpanao gazetin’ny Kolo Tv. Manatevim-pahalalana hatrany ihany koa ny Zaza Kanto ka tafiditra anatin’izay ny fianarana teny Anglisy sy Frantsay.

Lalana Antanimena, Soarano, Behoririka : hihatra manomboka ny Alarobia izao ny fanovana

0
Hihatra manomboka ny Alarobia izao ny fiovan’ny rafitry  ny fivezivezen’ireo fiara amin’ny lalana manodidina ny Soanrano, Behoririka ary Antanimena raha ny nambaran’ny teo anivon’ny koaminina Anatananarivo renivohitra. Misy ny toromarika napetraky ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fampiharana azy. Tanjona raha ny fanazavana ny handrindrana be be kokoa ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra.

Madagascar Oil : niaiky ny fisian’ny vola be hanakorontanana eto Madagasikara

0
Nanaiky ny tomponandraikitra teo anivon’ny Madagascar Oil fa nisy fifandraisana tamina teratany Franco-Malagasy iray, ny amin’ny fikasana hanakorontanana eto Madagasikara ka vola mitentina 10 tapitrisa Euro no saika ampiasaina tamin’izany. Ankoatra izay, hamafisina ny fiarovana ny Filoham-pirenena sy ny fanjakana mijoro hoy ny minisitry ny fiarovampirenena.

Fitakian’ny RMDM : tokony hanaraka ny lalàna velona hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena

0
Tokony anatin’ny fanarahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ny fikitihana filoham-pirenena voafidy ara-pomba demokratika. Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena manoloana ny fangatahan’ny RMDM ny fametra-pialan’ny filoha.

Fianarantsoa : mihamafy ny fitokonan’ireo mpandraharahan’i Oniversite

0
Niha mafy ny fitokonan’ireo mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite an’i Fianarantsoa tamin’ity androany ity. Ankoatra ny hetsika efa nahazatra, nisy ihany koa ny fandoroana kodiarana ary ny fanesorana ny filohan’ny sindikan’ny mpiasa teo amin’ny toerana izay nambaran’izy ireo fa tsy mahavita ny asany.

Toamasina : jiolahy miisa 3 mpandroba cash point no tra-tehaka

0
Jiolahy miisa 3 mpandroba irony cash point ireno indray no tra-tehaky ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ao Toamasina ao tamin’ity androany ity. Efa maro ny olona lasibatr’ireto jiolahy ireto tany an-toerana. Ankoatra ny fanafihana cash point, miray tendro amin’ny mpangalatra moto ihany ko aizy telo mirahalahy ireto.

Tany nisy fanamaintisa-molaly talohan’ny 2005 : ahazoana karatany

0
Taorian’ny fandanian’ireo solombavambahoaka ny lalàna momba ny « propriété foncière privée non titrée », nitondra fanazavana androany ny teo anivon’ny Fonds National Foncier. Ity lalàna ity izay mikasika ny fiarovana ny tombotsoa iombonana amin’ny resaka fananan-tany sy ny fisitrahan’ny tompon’ny tany ny zony marina.

Ampahan-dalana simba amin’ny RN2 : efa hanomboka ny fanamboarana azy

0
Mpitatitra maro no nanantontosa fihetsiketsehina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa androany manoloana ny faharatsian’ny ampahan-dalana amin’iny lalam-pirenena iny. Manoloana io, namafisin’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy androany fa efa hanomboka ny fanamboarana ireo simba  amin’iny lalam-pirenena iny. Efa fantatra ihany koa ny orinasa hanatanteraka ny asa. Mbola hisy ankoatra izay ny fanamboarana hafa atao ho vahaolana maharitra amin’ny  lalam-pirenena  hivezivezean’ny fiara lehibe betsaka izay.

Tetezana Antsapazana sy Mangoro : voasonia androany ny mikasika ny fanamboarana azy

0
Ny volana aogositra 2021 izao no vinavinaina hanomboka ny fanamboarana ny tetezana Antsapazana sy Mangoro amin’ny lalam-pirenena faharoa, tafiditra anatin’ny tetikasa TATOM, hiarahana amin’ny governemanta Japoeny. Tontosa androany ny fanaovan-tsonia mikasika ny fanamboarana izany, niarahan’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy,  sy ireo mpiara-miombon’antoka Japoney natao. Namafisin’ny mnistra tomponandraikitra fa zava-dehibe amin’ny fampandrosoana izao  fananganana fotodrafitrasa lehibe izao.

Fanitarana ny «Plateau continental sud»: mitohy ny asa fikarohana sy ny fanomanana ireo antotan-kevitra

0
Mitohy ankehitriny ny sy ny  fanomanana ny antotan-kevitra  sahanin’ny eo anivon’ny OMNIS mikasika ny fangatahana ny fanitarana ny rambotany ambany ranomasina atsimo na ny plateau continental sud raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Isan’izany ny fanatanterahiana ny fanadihadiana amin’ny alalan’ny fanaovana ny fandrefesana ambany ranomasina na ny « levé sismique ».