Archives quotidiennes: 1 juillet 2021

Olona manana fahasembanana : tsy ampy ny tohana avy amin’ny fanjakana

0
Zary lasa hadino ao amin’ny politikam-pampandrosoana ny firenena ireo olona manana fahasembanana hoy ny Fédération des Personnes Handicapés de Madagascar. Vitsy na tsy misy ny fotodrafitr’asa natokana ho azy ireo.  Maro ihany koa ny lalàna tsy ampiharina izay hanairan’ny FPHM ny fitondram-panjakana.

JIRAMA : tsy maintsy maka alalana amin’ny DRATP vao afaka mandavaka lalana

0
Tsy maintsy maka fahazoan-dalana amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny Jirama vao afaka miroso amin’ny fandavahana eny amin’ny lalana eto amin’ny faritra Analamanga, araka ny tapaka tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tomponandrakitra feno amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo lavaka nataony ihany ny orinasa Jirama raha ny fanazavana  nandritra ny fandraisana vonjimaika ny lalana namboarina eo Mahamasina, sy Ankadilalana mihazo an’i Tsimbazaza.

HCC : eo anivon’ny Antenimiera ihany no misy ny lehiben’ny mpanohitra ofisialy

0
Rehefa navoaky ny HCC na ny Fitsarana Avo Momba ny lalam-panorenana ny alatsinainy teo ny lalàna mifehy ny mpanohitra. Naverina nojerena izany ka nivoaka omaly ny fanapahan-kevitra farany. Voalaza tamin’izany fa ny fanoherana eo anivon’ny Antenimiera ihany no tarihin’ny lehiben’ny mpanohitra ofisialy. Afaka mifidy izay ho lehiben’ny mpanohitra mety aminy kosa ireo ivelany.

Mpiasan’ny Paositra : ny fanavaozana napetraka no nahatonga ny tsy fitovian-kevitra

0
Nanao fitokonanana ireo mpiasan’ny Paositra Malagasy ny maraina teo, nitaky ny tokony hisian’ny fahaleovan-tenan’ny Paositra, indrindra ny lalàna mifehy azy ireo. Ankilany, nilaza ny eo anivon’ny minisitera fa noho ny fanavaozana ao amin’ny Paositra Malagasy no niteraka tsy fitovian-kevitra ka nahatonga ny fitokonana.

LFR 2021 : tombanana hidina 4.3 % ny tahan’ny harin-karena

0
Mifantoka betsaka amin’ny fanarenana ny toekarem-pirenena sy ny sosialim-bahoaka ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana na ny LFR 2021. Ankoatry ny fanatsarana ny fampidiram-bolam-panjakana toy ny amin’ny alalan’ny fampidiran-ketra, hojerena manokana ny fitsirihana ny mpiasam-panjakana matotoa, izay mitarika fatiantoka goavana amin’ny fanjakana.

Zotra Express Talatamaty – Ankorondrano : hanomboka ny faran’ny volana Jolay

0
Zotra miisa 3 no hampitohy  an’ i Talatamaty , Amoronankona By Pass, izay mihazo ny Rocade d'Ivato Tsarasaotra sy Rocade D’Iarivo. Fiara vaovao manaraka ny teknolojia no hiasa amin’izany ary ny système billetique no hampiasaina raha ny fanazavana. Ny faran’ny volana Jolay izao no hanomboka ny fitrandrahana ny zotra mampitohy an’I Talatamaty amin’Ankorondrano. Fiara miisa 5 no hitrandraka izany.