Archives quotidiennes: 27 juillet 2021

Zaza Kanto : mitohy ny fanamafisana ny mozika sy ny fianarana

0
Mitohy ny fanamafisana ny mozika ho an’izy 8 miarahalahy mpikambana anatin’ny Zaza Kanto hatreto. Maro ny hira vaovao hivoaka ary tsy mena mitaha amin’ny « tsy mahalala menatra » nahafantarana azy ireo, araka ny resaka nifanaovan’ny Zaza Kanto tamin’ny mpanao gazetin’ny Kolo Tv. Manatevim-pahalalana hatrany ihany koa ny Zaza Kanto ka tafiditra anatin’izay ny fianarana teny Anglisy sy Frantsay.

Lalana Antanimena, Soarano, Behoririka : hihatra manomboka ny Alarobia izao ny fanovana

0
Hihatra manomboka ny Alarobia izao ny fiovan’ny rafitry  ny fivezivezen’ireo fiara amin’ny lalana manodidina ny Soanrano, Behoririka ary Antanimena raha ny nambaran’ny teo anivon’ny koaminina Anatananarivo renivohitra. Misy ny toromarika napetraky ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fampiharana azy. Tanjona raha ny fanazavana ny handrindrana be be kokoa ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra.

Madagascar Oil : niaiky ny fisian’ny vola be hanakorontanana eto Madagasikara

0
Nanaiky ny tomponandraikitra teo anivon’ny Madagascar Oil fa nisy fifandraisana tamina teratany Franco-Malagasy iray, ny amin’ny fikasana hanakorontanana eto Madagasikara ka vola mitentina 10 tapitrisa Euro no saika ampiasaina tamin’izany. Ankoatra izay, hamafisina ny fiarovana ny Filoham-pirenena sy ny fanjakana mijoro hoy ny minisitry ny fiarovampirenena.

Fitakian’ny RMDM : tokony hanaraka ny lalàna velona hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena

0
Tokony anatin’ny fanarahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ny fikitihana filoham-pirenena voafidy ara-pomba demokratika. Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena manoloana ny fangatahan’ny RMDM ny fametra-pialan’ny filoha.

Fianarantsoa : mihamafy ny fitokonan’ireo mpandraharahan’i Oniversite

0
Niha mafy ny fitokonan’ireo mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite an’i Fianarantsoa tamin’ity androany ity. Ankoatra ny hetsika efa nahazatra, nisy ihany koa ny fandoroana kodiarana ary ny fanesorana ny filohan’ny sindikan’ny mpiasa teo amin’ny toerana izay nambaran’izy ireo fa tsy mahavita ny asany.