Accueil 2021 juillet

Archives mensuelles: juillet 2021

Madagasikara: hahaleo tena ara-bary amin’ny 2023

0
Tratra ny tanjona ary hahaleo tena ara-bary i Madagasikara amin’ny taona 2023. Na izany aza,  ilaina ny fijerena akaiky amin’ny famahana  ny olan’ireo tantsaha eo amin’ny  seha-pamokaram-bary hoy ny tompon’andraikitra.  Ny 15 % ny vary izay very noho ny tsy fahaizana mikarakara, indrindra eo amin’ny fotoam-piotazana mandrapahatonga azy any an-tsompitra.

Tsy fananan’asa : 27% n’ireo amin’ny sehetra tsy ara-dalàna no very asa ny taona 2020

0
Efa tafiditra ao antin’ny « récession économique » na ny fitotonganan’ny toekarena ao anatin’ny fotoana haingana i Madagasikara amin’izao. Raha ny teo amin’ny sehatra tsy manara-dalàna ohatra, ny taona 2020,    27% n’ireo miasa amin’izay no very asa nohon’ny valan’aretina Covid-19. Misy fiatraikany betsaka amin’ny toekarena izany  ka mila mandray fepetra amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ny fanjakana.

EPS – Baccalauréat : mpiadina manodidina ny 10 hatreto no hita fa nitondra vohoka

0
Mpiadina manodidina ny 10 no fantatra fa nitondra vohoka tamin’ireo izay hanao ny fanadinana ara-panatanjahantena ho an’ny Kilasy famaranana izay notontosaina teny amin’ny kianjan’Alarobia. Vokatry ny krizy ara-pahasalamana, nihena ihany koa ny « performance » an’ireo mpiadina hoy ny tomponandraikitra.

Lalàna mifehy ny toaka gasy : ny Solombavambahoaka no tompon’ny teny farany

0
Misy ambadika politika avo lenta hoy ny Solombavambahoaka RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunelle no fitsipahan’ireo loholona ilay lalàna mifehy ny toaka gasy teny anivon’ny Antenimierampirenena. Na notsipahan’izy ireo aza izany, ireo Solombavambahoaka no tompon’ny teny farany amin’ny fandaniana ity lalàna ity.

Kere-Faritra Atsimo : nanao antso fanairana ny sekretera jereralin’ny ONU

0
Nanamafy ny antso fanairana manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo misy any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara nohon’ny  haintany ateraky ny fihovaovan’ny toetr’andro ny sekretera jereralin’i firenena Mikambana Antonio Guterres.  Maherin’ny 1,14 tapitr’isan’ireo mponina any an-toerana no voakasiky ny tsy fanjarian-tsakafo ankehitriny raha ny antotan’isa navokan’ny teo anivon’i PAM. 

Guichet unique : nitombo avo roa heny ny olona maka « certificat de situation juridique »

0
Nanamora ny fikarakarana taratasin-tany ny fisian’ny guichet unique ho an’Antananarivo Atsimondrano. Tao anatin’ny herintaona, nitombo avo roa heny ny olona maka ny certificat juridique eo amin’ny sampandraharahan’ny fananantany.

« Variant Delta » : efa tonga eto amin’ny faritry ny Océan Indien

0
Manahy ny fiantraikan’ny fipariahan’ny Variant Delta amin’ny mety ho fisokafan’ny lanitr’i Madagasikara ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany. Ilaina hoy izy ireo ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’izany ka tsy hahafaty ny andanininy sy ny ankilany. Nilaza kosa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka fa efa misy ny fandinihina ny mikasika ny fisorohona ny tsy fidiran’izay « Variant » izay eto amintsika.

CEPE : nilamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana manerana ny Nosy

0
Nirindra araka ny tokony ho izy ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy notanterahina androany raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Voahaja amin’ny ankapobeny ny fepetra ara-pahasalmana ho an’ireo mpiadina, ary nilamina ny fandraisana azy ireo teny anivon’ireo ivon-toeram-panadinana samy hafa. Hanomboka androany kosa ny fitsarana ny fanadinana raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. 51 taona moa ny zokiny indrindra tamin’ny nanala izany tamin’ity taona ity.

CEPE : nilamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana manerana ny Nosy

0
Nirindra araka ny tokony ho izy ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy notanterahina androany raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Voahaja amin’ny ankapobeny ny fepetra ara-pahasalmana ho an’ireo mpiadina, ary nilamina ny fandraisana azy ireo teny anivon’ireo ivon-toeram-panadinana samy hafa. Hanomboka androany kosa ny fitsarana ny fanadinana raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. 51 taona moa ny zokiny indrindra tamin’ny nanala izany tamin’ity taona ity.

CELESTIN Jean Faly : 51 taona niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE androany

0
Tsy natao hahamenatra hoy i CELESTIN Jean Faly ny niatrehany ny fanadinam-panjakana CEPE na efa 51 taona aza ny tenany. Ho fisondrotana grady eo amin’ny asa no antony lehibe nandrisika azy hanala ity fanadinampanjakana ity. Izy no fantatra fa zokiny indrindra niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE tamin’ity androany ity.