vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 6 août 2021

Fikasana hamono ny Filoha : nangataka fahafahana vonjimaika ny mpisolovava

0
Mivoatra hatrany ny toe-draharaha mahakasika ilay fifofoana ny ain’ny Filoha sy ireo tompon’andraiki-panjakana ambony. Androany, nangataka fahafaha vonjimaika ho Paul Rafanoharana sy ny vadiny, izay mbola hiakatra Fitsarana rahampitso maraina ny mpisolovava azy ireo.

Fakàna « permis de construire » : azo atao « en ligne » manomboka izao

0
Azo atao manomboka izao ny fangatahana fahazahoan-dalana manorina na maka permis de construire amin’ny  aterneto amin’ny alalan’ny application MATAC. Dingana iray napetraky ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy amin’ny alalan’ny OATF ary tafidtra amin’ny tetikasa PRODUIR io, hanafainganana ny fisitrahana  sy hirosoana amin’ny fangaharahana tanteraka. Kaominina miisa 17 no nisantarana ny tetikasa.

Antoko MMM : mitaiza ny tanora ary manolotra fiofanana maro

0
Manomana ny  ho avin’ireo tanora hitondra ny firenena any aoriana ny  Antoko politika fa tsy manao fitaovana azy ireny. Anjaran’ny Antoko politika no manampy ireo tanora hanatratra ny tanjona izay kendreny. Ho an’ny antoko Malagasy Miara Miainga misitraka fiofanana eto Andrenivohitra amin’izao fotoana ireo solontenan’ ny tanora avy any amin’ny faritra maro.

FMF : andalana ny fikarakarana ny lalao hataon’ny BAREA ny 04 Septambra ho avy izao

0
Andalana ny fikarakarana sy ny fanomanana rehetra hahafahana mandray ny fifanintsanana Coupe du Monde, hihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy i Benin izay hatao eto amintsika ny faha 04 ny volana Septambra ho avy izao. Hivoaka ny ho ela ihany koa ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena hoy ny eo anivon’ny Federasiona.