Archives quotidiennes: 10 août 2021

Fanafarana entana: nitombo 10.8% ny enim-bolana voalohan’ny taona 2021

0
Tsy mifandanja hatrany ny mizanam-barotr’i Madagasikara. Raha ho an’ny 6 bolana voalohan’ny taona 2021, raha ny antontanisa navoakan’ny banky foiben’I Madagasikara. Niakatra 10.8% ny fanafarana entana raha toa ka tsy nisy afa tsy 0.6% ny fitombon’ny fanondranana entana. Tranga izay namafisin’ny vokatry ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19.

Fanatrarana ny velirano : maro ny teboka mila jeren’ny Filoha manomboka izao

0
Tsy maintsy hirosoana ny fanesorana ny mpikamban’ny governemanta tsy maharaka ny fanamby napetraky ny filohan’ny repoblika, hoy ny mpamakafaka politika nanaovana fanadihadiana. Ankilany, tokony ho tohanana indrindra amin’ny lafiny fampitaovana ny mpikambana maharaka ny hafangainam-pandeha, hanatanterahana ny velirano araka ny tokony ho izy.

Fiakaran’ny vidim-piainana : tsy maintsy manolotra vahaolana ny minisitera tompon’andraikitra

0
Ao anatin’ny 3 andro no tsy maintsy hitondra vahaolana manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny entana amin’izao  ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny raha ny fanabarana nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA omaly.  Nahitana fiakarany avokoa ny vidin’ny entana hampiasain’ny mponina andavan’andro.

Sidina fampodiana : 22 sy 28 Aogositra ary ny 12 sy ny 19 Septambra 2021 ho avy izao

0
Sidina fampodiana miisa 4 no ho apetraky ny fitondram-panjakana ho an’ireo teratany malagasy tavela any ivelany vokatry ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19. Sidina izay ho tontosaina ny 22 sy ny 28 Aogositra izao ary ny 12 sy ny 19 Septambra. Misy kosa ny fepetra mifanaraka amin’izany.