vendredi 29 mars 2024
Accueil 2021 octobre

Archives mensuelles: octobre 2021

Entona fandrehitra : samihafa ny vidiny eny amin’ny mpaninjara

0
Tsy mitovy ny vidin’ny entona fandrehitra eny amin’ny mpaninjara amin’izao fotoana izao. Raha toa ka saika nidina nanomboka ny 18 oktobra teo ny vidin’izay amin’ny antsinjarany sy ny 4 kg, ho an’ireo mivarotra amin’ny cacheté, voatazona hatrany ny fiakaran’ny vidiny nanomboka ny 1 oktobra 2021.

Ankorondrano : tapaka ny lalana, maty teo afovoan’ny arabe ny masinina

0
Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana teny Ankorondrano sy ny manodidina ny fitokonan’ny fiara an-dalamby an’i Madarail teo afovoan’ny arabe, vokatry ny fialan’ny kodiarana tamin’ny lalamby ny  maraina teo. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny tranga hoy ny tomponandraikitry ny orinasa Madarail. Ny fanalana ny fiaran-dalamby izay naharitra ora maro.

Zandarimariam-pirenena : sokatra miisa 79 saika haondrana sy rongony 2 kilao no tratra

0
Jiolahy iray nitondra sokatra ahiana ho lany tamingana miisa 79, ary nikasa hanondrana izany any ivelany  no tra-tehaky ny mpitandro filaminana  teo amin'ny garan'Ampasapito omaly tokony  tamin'ny 07 ora hariva. Ankoatra io, nisy ihany koa ny fahatratraran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena mpaninjara  rongony 6 mirahalahy.

Faritra atsimon’ny nosy : hamafisina ny ady amin’ny kere

0
Hamafisina ny fitadiavam-bahaolana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina any amin’ny tapany atsimon’ny nosy. Izay no nisongadina nandritra ny fivoriana niarahan’ny fanjakana malagasy, ireo masoivoho sy ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara, teny amin’ny lapam-panjakana  Iavoloha. Noresahana nandritra izany ihany koa ny fanaovana vakisiny sy ny fandraisana anjaran’ny firenena amin’ny COP 26.

SEMPIDOU : niroso tamin’ny fitokonana nanomboka androany

0
Niroso tamin’ny fitokonana nanomboka tamin’ity androany ity ireo mpiasa eo anivon’ny Fadintseranana mivondrona eo amin’ny SEMPIDOU. Roa taona sy tapany nanginana sy nandrosoana vahaolana saingy tsy misy ny fihainoana ka anton’izao hetsika izao raha ny fanazavana. NY SEMPIDOU izay mitaky ihany koa fihaonana amin’ny filoham-pirenena.

RN44: mpandeha miisa 8 namoy ny ainy nohon’ny lozam-pifamoivoizana

0
Miisa 8 ireo namoy ny ainy nandritry ny lozam-pifamoivoizana teny Moramanga ny alin’ny 20 oktobra teo raha toa ka 19 kosa ireo  naratra. Fanenjehan’ny fiara no niteraka ny loza araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana any Moramanga.

Andro manerantany ho an’ny tanàn-dehibe : hankalazaina any Morondava amin’ity taona ity

0
Ho tanterahina any Morondava ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tanàn-dehibe amin’ity taona ity. Isany ho jerena mandritra izay ny vahaolana ho an’i Morondava,  manoloana ny fikaoan’ny riaka.  Isany tafiditra anatin’ny drafi-panajariana hampiharina ho fanatsarana ny tanàn-dehibe ny mikasika ny fiovaovan’ny toetr’ansro.

Ambohidratrimo : nahitana firehetana ny Avaratra atsinanan’ny Rova

0
Nahitana firehetana ny teny amin’ny rovan’Ambohidratrimo niainga avy eny avaratra atsinana ny afo, tsy fantatra mazava ny niandohany ny firehetana, noho ny fiaraha-mientana ny fokonolona teny an-toerana niezahn’izy ireo nofehezina ny afo izay niarahana tamin’ireo tsara sitra-po.

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : tsy maintsy hampifandraisina amin’ny teti-pivoarana misy

0
Hohatsaraina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny firenena Alemana, ary hatao izay hampifandraisana ireo tetikasa maro amin’ny teti-pivoarana ampiasan’ny mpitondra fanjakana, io no nisongadina nandritry ny fitsidihana ara-pomba fifanajàna nataon’ny Chargé d’affaires Alemagne teny Mahazoarivo. Ankoatra izay, tonga nanao veloma ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny Solontena maharitry ny OMS Madagascar, Charlotte Faty Ndiaye niasa teto amintsika nandritry ny 6 taona.

Fitokonan’ny mpandraharaha : efa eo am-pikarakarana ny famahana ny olana ny fanjakana

0
Efa eo ampamahana ny olana ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao mahakasika ny fitakian’ireo mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite araka ny fanazavana azo tamin’ity androany ity. Ny fisian’ny kajy tsy mirindra no mahatonga ny fahataran’ny fandoavan-karama ho an’ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite an’Antananarivo raha ny nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra.