Archives quotidiennes: 19 octobre 2021

Antenimiera : hiatrika fivoriana ara-potoana manomboka rahampitso

0
Hanomboka rahampitso Talata ary haharitra 60 andro ny fotoam-pivoriana ara-potoana hatrehin’ireo Antenimiera roa tonta. Ankoatra ny fandinihana ny tolo-dalàna maro samihafa, isany teboka lehibe ao anatin’ity fivoriana ity ihany koa ny ny fandinihana ny LFI na ny Lois de Finance Initiale ho an’ny taona 2022. Hafampana ny adi-hevitra eo amin’ireo Solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimierampirenena.

TOAMASINA II : lavon’ny andrimasom-pokonolona i SABOTSY Vincent

0
Lavon'ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny Fokontany Ranomena andrefan’ny Commune Toamasina Sub—Urbaine ny sabotsy alina teo i SABOTSY Vincent rehefa nampihorohoro fokontany maro nandritra ny 16 taona. Vokatry ny fahatezeran’ny fokonolona, tamin’ny fomba feno habibiana no nahafaty ity farany.

Fianarantsoa : tsy tonga niatrika ny « rentrée solennelle» ireo mpampianatra mpikaroka

0
Tsy tonga nanome voninahitra sy niatrika ny lanonana ofisialy manodidina ny Rentrée solennelle teny amin’ny Oniversite an’i Andrainjato Fianarantsoa ireo mpikambana ao anatin’ny SECES sampana Fianarantsoa androany. Ankoatra io, nanao arovava orona mainty sy akanjo mainty ihany koa ireo mpiasa mpandraharaha teo anoloan’ny Minisitra tomponandraikitra nandritra ity fotoana ity.

Fanefana ny volan’ireo orinasa mpanao lalana : manjavozavo tanteraka

0
Tsy mbola fantatra mazava hatramin’izao ny fotoana ahavitan’ny Audit, mikasika ny fandoavana ny volan’ireo mpanao lalana, tamin’ny alalan’ny FR na ny Fonds Routier, raha nanontaniana mikasika izay ny minisitry ny asa vaventy. Etsy ankilan’izay, nanompe toromarika ny hanafainganana ny famitana ny asa fanamboarana ny RN44 ny tenany nandritra ny fitsidihany tany an-toerana.

Fisokafan’ny lanitra: efa vonona i Madagasikara

0
Efa vonona avokoa ny handraisana ny sidina avy any ivelany na ny hisokafan’ny lanitr’i Madagsikara, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny fitaterana androany nandritra ny fitsidihana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Efa nisy ankilany ny fahatongavan’ny sidina Air France tamin’ity androany ity, izay nitondra mpandeha miisa maherin’ny 100.

Lozam-pifamoivoizana – Ambohimahasoa : hitory ilay kaoperativa ny fianakavian’ireo niharam-boina

0
Hitory ilay kaoperativa nitera-doza namoizana ain’olona 11 teny Anteheza - Ambohimahasoa ny 25 septambra lasa teo ny fianakavian’ireo niharam-boina noho ny tsy fandraisan’andraikitr’ity Kaoperativa ity. Amin’ny tranga tahaka itony, ny trano fiantohana ny manome honitra hoy ny mpahay lalàna nanontaniana.