Archives quotidiennes: 22 octobre 2021
Entona fandrehitra : samihafa ny vidiny eny amin’ny mpaninjara
Tsy mitovy ny vidin’ny entona fandrehitra eny amin’ny mpaninjara amin’izao fotoana izao. Raha toa ka saika nidina nanomboka ny 18 oktobra teo ny vidin’izay amin’ny antsinjarany sy ny 4 kg, ho an’ireo mivarotra amin’ny cacheté, voatazona hatrany ny fiakaran’ny vidiny nanomboka ny 1 oktobra 2021.
Ankorondrano : tapaka ny lalana, maty teo afovoan’ny arabe ny masinina
Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana teny Ankorondrano sy ny manodidina ny fitokonan’ny fiara an-dalamby an’i Madarail teo afovoan’ny arabe, vokatry ny fialan’ny kodiarana tamin’ny lalamby ny maraina teo. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny tranga hoy ny tomponandraikitry ny orinasa Madarail. Ny fanalana ny fiaran-dalamby izay naharitra ora maro.
Zandarimariam-pirenena : sokatra miisa 79 saika haondrana sy rongony 2 kilao no tratra
Jiolahy iray nitondra sokatra ahiana ho lany tamingana miisa 79, ary nikasa hanondrana izany any ivelany no tra-tehaky ny mpitandro filaminana teo amin'ny garan'Ampasapito omaly tokony tamin'ny 07 ora hariva. Ankoatra io, nisy ihany koa ny fahatratraran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena mpaninjara rongony 6 mirahalahy.
Faritra atsimon’ny nosy : hamafisina ny ady amin’ny kere
Hamafisina ny fitadiavam-bahaolana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina any amin’ny tapany atsimon’ny nosy. Izay no nisongadina nandritra ny fivoriana niarahan’ny fanjakana malagasy, ireo masoivoho sy ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Noresahana nandritra izany ihany koa ny fanaovana vakisiny sy ny fandraisana anjaran’ny firenena amin’ny COP 26.
SEMPIDOU : niroso tamin’ny fitokonana nanomboka androany
Niroso tamin’ny fitokonana nanomboka tamin’ity androany ity ireo mpiasa eo anivon’ny Fadintseranana mivondrona eo amin’ny SEMPIDOU. Roa taona sy tapany nanginana sy nandrosoana vahaolana saingy tsy misy ny fihainoana ka anton’izao hetsika izao raha ny fanazavana. NY SEMPIDOU izay mitaky ihany koa fihaonana amin’ny filoham-pirenena.
RN44: mpandeha miisa 8 namoy ny ainy nohon’ny lozam-pifamoivoizana
Miisa 8 ireo namoy ny ainy nandritry ny lozam-pifamoivoizana teny Moramanga ny alin’ny 20 oktobra teo raha toa ka 19 kosa ireo naratra. Fanenjehan’ny fiara no niteraka ny loza araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana any Moramanga.
Andro manerantany ho an’ny tanàn-dehibe : hankalazaina any Morondava amin’ity taona ity
Ho tanterahina any Morondava ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tanàn-dehibe amin’ity taona ity. Isany ho jerena mandritra izay ny vahaolana ho an’i Morondava, manoloana ny fikaoan’ny riaka. Isany tafiditra anatin’ny drafi-panajariana hampiharina ho fanatsarana ny tanàn-dehibe ny mikasika ny fiovaovan’ny toetr’ansro.