Accueil 2021 novembre

Archives mensuelles: novembre 2021

Maroalompotsy -Taolagnaro : olona 4 no sarona saika hivarotra zaza varira mianadahy

0
Olona 04 no saron’ny Zandarimariam-pirenena ao Taolagnaro nikasa haka an-keriny zaza varira miisa 02 tao amin’ny Kaominina Maroalompotsy. Taorian’ny famotorana natao, natolotra ny fampanoavana ao Taolagnaro ny raharaha.

Simenitra amin’ny vidiny ara-drariny : ho tonga ny volana janoary 2022 izao ny andiany manaraka

0
Tsy maharaka ny tinady ny tolotra amin’ilay simenitra nafaran’ny fanjakana, amidy amin’ny vidiny ara-drariny ankehitriny. Lany avy hatrany avokoa ireo izay tonga na eny amin’ny mpamongady, na eny amin’ny mpaninjara. Nanambara ankilany ny SPM na ny State Procurement   Of Madagascar, miandraikitra ny fanafarana fa ny fiandoahan’ny volana janoary 2022 no vinavinaina ho tonga eto amin’ny Nosy ny simenitra andiany manaraka.

Fandaniana ny LFI 2022 : nafana ny adihevitra momba ny fampiakarana ny haba amin’ny bondillons

0
Niompana manodidina ny fanitsiana ny fepetra ara-ketra ny adihevitra teny anivon’ny Antenimierampirenena nandritra ny fandaniana ny LFI 2022 omaly. Lohalarahana ny fampiakarana ho 20 % ny haba alaina amin’ny bolabolan-tsavony. Fanavaozana izay atahoran’ny solombavambahoaka hampiakatra ny vidiny eny antsena.

JIRAMA : handatsaka orana artifisialy mandritry ny 4 andro

0
Handatsaka orana artifisialy mandritry ny 04 andro eto Antananarivo sy ny manodidina ny orinasa JIRAMA ho famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro sy ny rano fisotro madio noho ny haintany ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Efa feno ny fepetra takiana amin’ny hamandoana sy ny maripana ary ny rivotra, ka natomboka androany ny fandrarahana sira eny amin’ny habakabaka.

CNRIT : Court-circuit no nitarika ny firehetana tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo

0
Trano famakiam-boky iray, laboratoara 2, birao 3, ary trano fitehirizana 5 no potiky ny afo izay nanomboka tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo  teny amin’ny CNRIT na ny Centre National de Recherches Industrielle et Technologique etsy Tsimbazaza. Court-circuit tamina efitra iray no voalaza fa niandohan'ny afo ary niitatra tamin'ny efitra hafa. Nambaran’ny talen’ity  toeram-pikarohana ity  fa tsy misy idiran’ny resaka fitantanam-bola eo amin’ny centre izao firehetana izao.

Fanondranana volamena : angalana «droit d’accise» 15 % manomboka izao

0
Nanohitra ny fampiharana ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fanondranana volamena ny kaomisiona misahana ny harena an-bikon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika eny anivon’ny Antenimierampirenena. Hamotika ny sehatra ary hampahazo vahana ny fanondranana an-tsokosoko ny fampiharana ny Droit d’accise, hoy ny fanazavana.

Tranopirintim-pirenena : tsy maharaka ny fanamboarana bokin’omby

0
Velon-taraina manoloana ny fomba fiasan’ny Tranopiritim-pirenena amin’ny fanontana ny bokin’omby ireo Ben’ny tanàna indrindra fa ireo avy any amin’ny faritra. Tsy maharaka ny filàna misy ny vokatra azo avy eo anivon’ity ivon-toerana mpamokatra ny bokin’omby ity. Tsy misy afa-tsy 50 isan’andro ihany no afaka omen’izy ireo ny ben’ny tanana iray raha toa ka manodidina ny 2 000 isa no ilain’ny ben’ny tanàna iray mba hamaliana ny filan’ny vahoaka eny ifotony.

Fambolen-kazo : « drones de largage » miisa 05 no nosantarina omaly

0
Nosantarina omaly tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Mahajanga ireo « drones de largage » miisa 5 natao hoan’ny fambolen-kazo. Nandritry ny 10 volana no niasa sy namolavola ireo « drones » ireo ny tanora teknisiana manam-pahaizana amin'izany.

RN7 : ahiana ny ho fikatonany amin’ny faritra Analamanga

0
Manoloana ny fitombon'ny tahan'ireo tratry ny valan'aretina Covid-9 any amin'ny faritra Vahinankaratra sy Menabe, nanambara ny prefektiora an’Antanarivo androany fa mety hikatona amin’ny lalam-pirenena faha-7 ny faritra Analamanga. Hisy ny fivoriana hiarahana amin'ny minisiteran'ny fahasalamana ho tontosaina amin'ity herinandro ity, ary aorian'izay no hivoahan’ny fanapahan-kevitra. Tsy maintsy hiroso amin'ny fandefasana chômage partiel an'ireo mpiasa ankilany ireo misehatra amin'iny zotra iny raha toa ka misy ny fanakatonana.

EPM 2021 : hahafantarana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara

0
Efa lany andro avokoa ny antontan’isa mikasika ny fahantrana, fiara-monina, ary ny fari-piainan’olona eto Madagasikara izay ampiasaina tato anatin’ny taona maro. Manoloana io, hanatanteraka fanadihadiana maharitra eny anivon’ny Tokantrano na EPM 2021 ny Instat sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Ahafahana mampifanaraka ny tetikasam-pampandrosoana sy ny laharampahamehana ny vokam-panadihadiana ho azo amin’ny alalany. Tokantrano miisa 16 896 manerana ny faritra 23 no hanatontosana ny fanadihadiana.