vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 1 décembre 2021

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro: tsy mbola nivoaka ny famatsiam-bola

0
Isika eto Madagasikara  no firenena  ao anatin’ireo firenena mitaky ilay  vola 100 miliara dolara isan-taona tokony alohan’ireo firenena manankarena amin’ireo firenena mahantra iharan’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Hatramin’izao anefa tsy mbola azo io fanampiana io, raha toa ka nanontaniana ny Minisitra tompon’andraikitra nandritra ny diany namonjy ny fivoriana tany Glasgow Cop 26.

Fanotofana tany : miisa 56 ireo nomena fahazoan-dalana ho an’ny taona 2021 teto andrenivohitra

0
Fanotofana tany miisa 56 no nahazo ny fahazoan-dalàna ho an’ny taona 2021 raha toa ka 77 ny fangatahana voaray nandritra izany raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Apipa androany. Anton’izany ny tsy fahafenohan’ny fepetra mikasika ny drafim-panajariana tamin’ireo fangatahana miisa 21 raha ny fanazavana. Hikatona amin’ny fomba ofisialy manomboka rahampitso ny vanim-potoana fanotofana tany eto andrenivohitra ho an’ny taona 2021 raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny APIPA.

APIPA : manao antso fanairana amin’ny mponina tsy hanary fako eny amin’ny tatatra

0
Famaroan’ny fako any anatin’ny lakan-drano no mahatonga ny fiakaran’ny rano miopapana eto Antananarivo rehefa misy rotsak’orana. Saika tsentsina avokoa ny ankamaroan’ireo lakan-drano madinika eny amin’ny fokontany maro. Tsy mbola atahorana ankilany ahavon’ny fiakaran’ny rano amin’ireo renirano lehibe ato anatin’ny faritra Analamanga.

Famatsian-drano: hiverina amin’ny laoniny ny kalitaon’ny rano manomboka rahampitso

0
Hiverina amin’ny laoniny tsikelikely manomboka rahampitso ny famatsiandrano eto andrenivohitra , indrindra eo amin’ny lafiny kalitao raha ny nambaran’ny minisitry ny rano. Ny fahasimban’ny filtre teo anivon’ny tombim-pamokarana rano tetsy Mandroseza no anton’ny nahatonga ny faharatsian’ny rano tonga teny amin’ireo mpanjifa . Ankehitriny vita tanteraka ny asa fanamboarana izany raha ny fanazavana.

Tetikasa PAGOSE: nisy ny entana very sy vola nampiasaina tamin’ny tsy tokony ho izy

0
Tsy hisy fiantraikany amin’ny mpanjifa ny hanefan’ny JIRAMA ilay vola takian’ny banky iraisam-pirenena haverina aloa. Amin’ny vola mitentina 1million700mille dollars, ny  634mille 719dollars hatreto no ho aloa aloan’ny faha-3 ny volana desambra izao.

LTP Alarobia – LTPGCM Mahamasina : horonantsary efa ela no saika nampifandona ny samy mpianatra

0
Horonantsary nisy nanaparitaka tamin’ny Facebook hitan’ny mpianatra tao amin’ny LTP Alarobia no nahatonga azy ireo nivoaka ny faritry ny sekoly ny maraina teo. Horonantsary efa ela saingy natao hanakorontanana ireo mpianatra hoy ny tomponandraikitry ny sekoly. Eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ankehitriny ny raharaha.

Antenimierampirenena : parlementera roa no nohadihadian’ny vaomieran’ny HCJ androany

0
Antontan-taratasina Parlementera miisa 2 indray no nodinihin’ny vaomierana mpanao fanadihadiana eo anivon’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza androany. Noho ny fananan’izy ireo ny sata manokana amin’ny maha parlementera azy no tsy nampiarahana ny fanadinihana ireo antontan-taratasy ireo niaraka tamin’ny efa natao fanadihadiana teo aloha raha ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera TSABOTOKAY Honoré.