Archives quotidiennes: 3 décembre 2021

Faritra arovana : tsy hisy intsony afaka 15 taona raha ny fanimbana ankehitriny no mitohy

0
Tsy hisy faritra arovana intsony eto Madagasikara afaka 15 taona raha ny fanimbana ankehitriny no mitohy hoy ny manam-pahaizana momba ny tontolo iainana. Famotehana izay vokatry ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena lalim-paka raha ny fanehon-keviny ka tokony andraisam-bahaolana aingana.

IFM : nivarotra boky 5 000Ar ny 1kg androany

0
Mitombo ny tanora liana amin’ny famakiana boky eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Sakana tsy hiroboroboany anefa ny sarany ambony. Ahafahan’ny rehetra manjifa boky amin’ny vidiny mirary, mialohan’ny hahatongavan’ny boky vaovao maro indray, nikarakara varotra boky 5 000ar ny 1 kilao ny IFM androany. 

Fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka : nahazoana fitarainana betsaka ny vidim-piainana

0
Maro ny teboka nahazoana fitarainana sy tsikera mivaivay avy amin’ny solombavambahoaka nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpikamban’ny governemanta androany. Lohalaharana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fitaovana fampiasa amin’ny fananganana fotodrafitrasa samihafa. Teo ihany koa ny lafiny famatsiana jiro sy rano izay mila hitondran’ny fitondram-panjakana vahaolana haingana raha ny tatitry ny solombavambahoaka hatrany.

Raharaham-panjakana : vaky bantsilany ny ady eo amin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny misahana ny fandrakofana ala

0
Manoloana ny tsy fitovian’ny tadin-dokanga eo amin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ny ala eo anivon’ity minisitera ity, nanamafy androany ny minisitra BAOMIHAVOTSE Vahinala fa mila manaja ny sata repoblikana sy ny antanatohatra na ny Organigramme hiérarchique ny rehetra raha tiana ny hisian’ny fampandrosoana. Tsy ekena ihany koa ny fanakantsakanana amin’ny endriny maro ny famoahana ny teti-bola hampandehanana ny asa eo anivon’ny minisitera amin’ny maha departemanta tokana izany.

Mpisehatra amin’ny fizahantany : miantso ny tokony hanaovan’ny rehetra vaksiny

0
Manahy ny ho fiantraikan’ny firongatry ny valan’aretina Covid-19 indray amin’izao fotoana izao ireo mpisehatra amin’ny fizahantany, taorian’ny fepetra fanakatonana ny sisin-tany amin’i Afrika Atsimo. Niantso ny tokony hampitomboana ny hetsika fanentanana ny rehetra hanao vaksiny ireo mpiseradia  mba ahafahana miatrika ny valan’aretina sy ny krizy ara-toekarena aterak’izay. Saika tsy mbola tafarina nohon’ny fatiantoka tamin’ny fikatonan’ny sisin-tany ireny ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana izao.