vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 21 décembre 2021

Lalàna momba ny tany tsy vita titra sy tsy vita kadasitra: natao hanampy ny Malagasy hisitraka ny taniny

0
Namaly ny fanambarana nataon’ny firaisamonim-pirenena sasany ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany androany mikasika ilay lalàna momba ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra sy tsy vita kadasitra. Namafisiny tamin’izany fa ho an’ny tombotsoan’ny Malagasy, ho fanamorana ny fisitrahan’ny Malagasy ny tany sy ho an’ny tantsaha ny votoatin’ity lalàna ity. Diso tanteraka ny filazana ny mifanohitra amin’izay, rah any fanambarana navoakan’ny minisitera ihany koa.

Distrikan’i Lalangina : miisa 1 600 ireo nisitraka ny karatany faobe

0
Karatany miisa 1 600 androany no nozaraina tao amin’ny disitrikan’i Lalangina faritra Matsiatra ambony tamin’ny alalan’ny fizarana karatany faobe notanterahin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany niarahana tamin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ireo mpiara-miombon’antoka. Tanjona fanampiana ireo tantsaha hisitraka ny karan-tany ary hanatanteraka ny asa fanajariana mifanaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fanavaozana ny sarintanin’i Madagasikara : efa hisy ny vokatra azo ho ampiasaina

0
Voahaja ny tetiandro napetraka mikasika ny fanavazaona ny saritanin’i Madagasikara tanterahin’ny eo anivon’ny foiben-Taosarintanin'i Madagasikara hiarahana amin’ireo mpiaramiombon’antoka. Ny volana janoary izao no vinavinaina hisy sarintanin’ny faritra maro ho vita.

M/S Francia : olona 16 tamin’ireo mpandeha 230 hatreto no hita faty, ny 50 velona

0
Miisa 16 hatreto no hita faty, 50 hita velona tamin’ireo olona miisa 230 niaraka tamin’ilay lakanaantsoina hoe FRANCIA izay dobo teo anelanelan'Andrangazaha sy Antsiraka ny maraina teo tokony ho tamin’ny 9 ora. Olona nandeha nitady vola tany Mananara-Avaratra « saison jirofo » no ankamaroan’ny tao anatiny. Mbola mitohy ny fikarohana hatramin’izao.

Gare routière Maki : niakatra 30% ny saran-dalan’ireo taxi-brousse

0
Niakatra 30% avokoa ny saran-dalana ho an’ireo taxi-brousse miainga etsy amin’ny gare Routière Maki Andohatapenaka. Ny faharatsian’ny lalana sy ny fiakaram-bidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara no isan’ny antony hoy ny filohan’ny kaoperativa.

COVID-19 : natomboka androany ny fanaovam-baksiny ho an’ny CISCO Tanà ville

0
Mpampianatra sy mpanabe miisa 100 tonga nisoratra anarana no niroso tamin’ny fanaovam-baksiny faobe ho an’ny CISCO Tanà ville androany. Mbola hitohy ny hetsika ary hatao vaksiny avokoa ireo mpampianatra resy lahatra hiroso amin’izany. Tanjona ny fahafahana miatrika ny telovolana faharoa anatin’ny fahasalamana tanteraka.