vendredi 29 mars 2024
Accueil 2021 décembre

Archives mensuelles: décembre 2021

Tsy fanajana ny zon’olombelona : manodidina ny 100 ireo fitarainana voarain’ny CNIDH

0
Manodidina ny 100 ankehitriny ny fitarainana voarain’ny eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena  misahana ny zon’olombeolna na ny CNIDH mikasika noho ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Ny trangana herisetra sy ny tontolon’ny asa no anisan’ny nahazoana fitaraina betsaka indrindra amin’izany raha ny fanazavana. Tontosa androany tetsy Analakely ny hetsika fampiratiana, tafiditra anatin’ny fankalazana ny herinandro ho an’ny zon’olombelona.

LFI 2022 : manahy ny amin’ny fihenan’ny fampisam-bola amin’ny sehatra tsy miankina ny GEM

0
Ahiana ny fihenan’ny fampiasam-bola  ho an’ireo orinasa tsy miankina ho an’ny taona 2022 eto Madagasikara  raha ny nambaran’ny teo anivon’ny GEM na ny ny groupement des Entreprises de Madagascar. Anton’izany ny fanovana anaty ny teti-bolam-panjakana 2022  ny mikasika ny tombotsoa manokana ho an’ireo orinasa tafiditra anaty ny « zone franche ».

Fifidianana filohan’ny CENI : ahiana ho nisy tsindry ara-politika hoy ny KMF Cnoe

0
Ahiana ho nisy tsindry ny fifidianana izay ho filohan’ny CENI notanterhina ny Alatsinainy lasateo hoy ny filoha nasionalin’ny KFM Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena. Mampitombo  sy miteraka ahiahy eo anivon’ny mpiantsehatra ara-pifidianana sy ara-politika ny naha voafidy ny olona notendren’ny filohampirenena hitantana ny rafitra mpikirakira ny fifidianana ity. Ankoatra io, takian’ny Vnoe ihany koa ny fanaovazana ifotony ny lisi-pifidianana amin’izao fotoan’ny RALE izao.

Tsy fanjarian-tsakafo : hamehana maneran-tany tsy maintsy handraisana andraikitra

0
Tanterahina ao Tokyo renivohitr’i Japon, nanomboka omaly ary mifarana androany ny Fihaonana an-tampony momba ny Sakafo ho an’ny fitomboana na «  Sommet de la Nutrition pour la Croissance ». Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa manoloana ny ady atao amin’ny tsy fanjarain-tsakafo vokatry ny KERE any Atsimon’ny Nosy no isan’ny hiadiana mafy, hoy ny Filohan’ny Repoblika nandritry ny fandraisam-pitenenana nataony. I Madagasikara izay isan’ireo firenena manana taha ambony na eo aza ireo ezaka natao hatrizay.

Apollo 21 : fandraharahana no nifandraisan’i Philippe F. tamin’i Paul RAFANOHARANA

0
Tohin’ny fitsarana ny raharaha Apollo 21, fandraharahana sy fananganana orinasa TSARA FIRST no nifandraisan’ilay teratany vahiny Philippe François sy Paul Rafanoharahana araka ny nivoitra androany tamin’ny fotoam-pitsarana. Ankoatra ity teratany vahiny ity, isan’ny niatrika fitsarana ihany koa ny vadiny.

Famatsian-drano : hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

0
Tsy maintsy hitondrana fanavaozana ny fotodrafitrasa famatsian-drano eto Madagasikara indrindra manoloana ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mitaky fampiasana sy famatsiam-bola goavana ankilany izay ka antony namondronan’ny minisitera mpiahy ny mpisehatra sy ny mpiara-miombon’antoka nandritra ny fanaovana jery todiky ny asa vita indrindra ho an’ny taona 2021.

Championnat de Madagascar de golf 2021: hotanterahina ny 16 hatramin’ny faha 19 Desambra izao

0
Hisokatra ny 16 Desambra ary hifarana ny 19 Desambra izao ny fanatanterahana ny fifaninana hiadiana ny ho an’ny tompondakan’i Madagasikara 2021 ho an’ny taranja Golf. Ankoatra ny fifaninana, vina ny fampandraisana anjara ity taranja ity ho isan’ny tosika entina hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany raha ny nambaran’ny mpikarakara.

Mpianatra – Cité Ankatso I : nidina an-dalambe vokatry ny fahatapahan-drano misesisesy

0
Nidina an-dalam-be ireo mpianatra eny amin’ny cité Ankatso I alina ary nitohy tamin’ity androany ity vokatry ny fahatapahan-drano. Tsy hijanona ny hetsika raha tsy misy vahaolana maharitra momba ny famatsiana rano hoy ireo mpianatra.

Tetibolam-panjakana 2022 : lany nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona

0
Lany nasiam-panitsiana teo anivon'ny Antenimierandoholona tetsy Anosikely ny tolakandro teo ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-pnjakana ho an'ny taona 2022. Nisy ny teboka maromaro nasian'ireo Loholona fanitsiana mahakasika ity tetibola ity ho tombontsoan'ny vahoaka. Zava-dehibe amin'ny fanatanterahana ny poliikan'ny fanjakana izao tetibola izao hoy ireo loholon’i Madagasikara.

Piaa 2 : ho tanterahina ny taona 2022 ka hatramin’ny 2027

0
 Hiditra amin'ny andiany faharoa ny tetikasa piaa na ny programme d'assainissement d'Antananarivo. Hisorahana ny fisian'ny tondradrano eto Antananarivo no votoatinnny lamin'asa. Tanjona ny hanatsarana ny fiaina'ny mponina andvan'andro