Archives quotidiennes: 15 février 2022

Governemanta : nametram-pialana ny minisitry ny fitsarana Imbiki Herilaza

0
Nametram-pialana tsy ho minisitry ny Fitsarana sy mpitahiry ny fitombokasem-panjakana i Imbiki Herilaza raha ny fanambarana navoky ny eo anivon’ny fiadidina ny repoblika omaly alina. Tsy nisy ny fanazavana ny antony nahatonga izany. Miantso amin’ny hanokafana ny fanadihadiana sy ny hisian’ny magaraharaha mikasika ity raharaha ity ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena sy ny antoko HVM raha ny nambaran’izy ireo androany.

Oniversiten’i Barikadimy : mitaky ny fisamborana an’i Fer Rond ny Triangle du Sud

0
Mitaky ny fisamborana an’i Fer Rond, tovolahy voarohirohy tamin’ny fahafatesana tovolahy iray manaraka ny sampam-piofanana Gestion des Ressources Humaines ao amin'ny oniversite Barikadimy Toamasina ny mpianatra mivondrona anatin’ny TRIANGLE DU SUD. Nisy androany ny hetsika nataon’izy ireo izay niafara tamin’ny fanakatonana ny birao sy ny toerampianarana rehetra mandra-pisamborana an'i Fer Rond.

Tetezan’Anosizato : tovolahy iray nitsoraka avy eny ambony

0
Tovolahy iray no fantatra, fa nitsoraka avy eny amin’ny tetezan'Anosizato, ny maraina teo. Nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana, mbola an-dalam-pikarohana ilay tovolahy fantatra fa namono tena ireo mpamonjy voina. Hatramin’izao mbola tsy hita na maty navelona ity tovolahy ity.

Huissier de Justice : tsy hiatrika fotoam-pitsarana raha tsy voavaha ny olan’izy ireo

0
Mijanona manomboka androany ny fiatrehan’ireo vaditany eny anivon’ny fitsarana mandritra ny fotoam-pitsarana, ny fanatanterahana didy ao anatin’ny fotoana tsy voafetra. Mitaky fifampiresahana amin’ny tompon’andraikitra, mba hoentina hamahana ny olan’izy ireo nandritra ny fanambarana natao androany.

Sommet Union Européenne – Union Africaine : ho tanterahina ny 17 sy 18 Febroary ny andiany faha-6

0
Ho tanterahina any Bruxelles ny faha 17 sy ny faha 18 ny volana Febroary ho avy izao ny andiany faha-6 amin’ny Sommet Union Européenne – Union Africaine. Tanjona ny fanamafisana ny fampiasana vola eto Afrika sy Eropa manoloana ny ady goavana amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny krizy ara-pahasalamana amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny fametrahana filaminana.  

Tsy fandriampahalemana : mitohy hatrany ny fanafihana sy ny vely bois rond

0
Mitohy hatrany ny fanafihana sy ny vely bois rond eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Maro amin’ireo mpitondra moto nanaovana fanadihadiana no nilaza fa tsy maintsy manova fandaharam-potoana ka mody aloha na mandeha taxibe raha vao manoboma hariva ny andro. Tranga izay mampametra-panontaniana ny maro manoloana ny fomba fiasan’ireo mpitandro filaminana.