mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 février 2022

Tb : MATSF : maro ny tanjona ho tratrarina

0
Tsy maintsy hirosoana ny fanavaozana sy ny fametrahana ny drafi-panajariana ny tanàna manerana ny Nosy. Laharampahamehana tanterahin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany izany araka ireo tetikasa efa mandeha sy tanterahina ankehitriny. Ankoatra io, maro no tanjona tratrarina amin’ity taona ity.

Fanafihana mpitondra moto : avoahy ny marina hoy ireo mponina ao Ambodivonikely

0
Taorian’ny famoahan’ny Polisy sy ny gazety an-tsoratra ny fahatratrarana olona telo mirahalahy voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana moto teny Ambohimanarina, nilanja sora-baventy ny mponina ary nilaza fa vaovao tsy marina no navoaka. Angatahan’ireo mponina sy ny fianakavian’ireo voasambotra ny hanaovana fanadihadiana lalina ka hamoahana ny marina rehetra mialohan’ny hanasaziana izay meloka.

Raharaha Fer rond : mangataka ny hanokafana ny fanadihadiana ireo mpianatra zanak’i SOFIA

0
Mangataka ny fanokafana ny fanadihadiana ankehitriny ny fikambanan’ny mpianatra zanaky ny faritra sofia ao amin’ny Oniversite Toamasina Barikadimy manoloana ny raharaha Fer Rond. Tsy nisy ny famonoan’olon-tokana saingy nisy kosa ny fitsaram-bahoaka izay niteraka ny fahafatesan’i Fanahia raha ny namabaran’izy ireo.

Filankevitry ny governoran’ny FIDA : nandray anjara nandritra ny andiany faha-45 i Madagasikara

0
Vahaolana hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fambolena ankehitriny ny fametrahana paikady ho amin’ny famokarana mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Io no nivohitra nandritra ny lahatenin’ny filoham-pirenena Malagasy tamin’ny andiany faha-45 ny filankevitry ny governoran’ny FIDA omaly.

Rivodoza Dumako : 6 ireo namoy ny ainy, 5 095 iroe traboina hatreto

0
Miisa 6 ireo namoy ny ainy, raha toa ka 1 267 ireo tokantrano traboina hatreto tamin’ireo faritra nandalovan’ny rivodoza Dumako raha ny tatitra navokan’ny BNGRC ny hariva teo. Anton’izany ny fikaran’ny rano, eo koa ny faharavan’ireo trano.

Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana : tsy maintsy hirosoana hoy ny minisitry ny Atitany

0
Tsy maintsy hirosoana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana na ny Refonte des listes électorales hoy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Nijanona tamin’izay ihany ny fanazavana nentiny raha nanontanian’ny mpanao Gazetin’ny Kolo Tv mahakasika izay androany. Tsy mbola fantatra arak’izany hoe oviana ary ahoana ny fandaminana amin’ny fanatanterahana azy.

Fakana an-keriny : olona 06 no voasambotra ka natolotra ny Fampanoavana

0
Tohin’ilay raharaha fakana an-keriny ilay zazakely 3 taona teny Ambodivonikely, olona 06 miaraka amin’ilay atidoha nikotrika no voasambotra ka natolotra ny Fampanoavana. Mbola karohina kosa ireo olona 02 nitondra moto naka an-keriny ilay zaza.

6e Sommet UE-UA : natomboka androany tao Bruxelles ary hifarana rahampitso

0
Natomboka androany tao Bruxelles ary hifarana rahampitso ny fihaonana an-tampony faha enina ho an’ny Vondrona Eropeana sy ny Vondrona Afrikana. Isan’ny hiompanan’ny lahadinika ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny fandriampahalemana sy ny fiovan’ny toetr’andro. Mandray anjara amin’io fihaonana an-tampony io i Madagasikara.