vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 26 mai 2022

Journée de l’Afrique : zava-dehibe ny fifanomezan-tanana amin’ireo firenena Afrikana

0
Tsy maintsy mifanome tanana ireo Firenena Afrikana miisa 55 hahafahana miady amin’ny tsy fahampiana ara-tsakafo hoy ny Solontena manokan’ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara, nandritry ny fankalazana ny Journée de l’Afrique teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy androany. Ny vondrona Afrikana izay nanamafy ny fahavononany hanohana hatrany an’i Madagasikara.

Ambodimanga Maroantsetra : mitaraina noho ny fanararaotam-pahefana ireo tantsaha

0
Mitaraina noho ny fanararaotam-pahefana ataon’ny ben’ny tanàna ireo tantsaha mpamokatra Lavanila ao amin’ny Kaominina Ambodimanga, Distrika Maroantsetra. Angatahana manoloana izany, hoy ireo mpiaro ny zon’olombelona ao an-toerana, ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ny fiarovana ny tontolo iainana sy zon’olombelona.

TOAMASINA : hita faty tao ambany tetezana feno fako sy rano maloto ilay zaza very

0
Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany ny atoandro teo, tao ambany tetezana feno fako sy rano maloto no nahitana ny fatin’ilay zazakely 03 taona, notadiavina nanomboka omaly tao Tanamborizano Toamasina. Latsaka tao anatin’ilay tetezana io zazakely io ka izao hita faty izao.

Fampanana’asa eto Madagasikara : hamoraina ny fisitrahin’ireo tanora asa

0
Mba anamorana ny fisitrahana asa ho an’ireo tanora, nisy ny fiarahana miasa ny fanjakana sy ireo mpiaramiombon-antoka avy any ivelany. Notaterahina androany arak’izany ny latabatra boribory izay niarahana nidinika tamin’ireo mpisehatra samihafa mba ho fampiroboroboana ny famoronana’asa eto Madagasikara.

Kaominina Merikanja : miisa 57 ireo nisitraka ny didipoitra faobe

0
Ny kaominin’ambanivohitr’i Merikanjaka distrikan’I Manjakandriana omaly, no nanombohan’ny Antoko Malagasy miara Miara-miainga ny hetsika didipoitra faobe amin’ity taonaity. Hetsika ara-tsosialy izay natao ho fanampiana ny mpiara-belona sy ho taberin’andraikitry ny antoko raha ny fanazavana.

Ady amin’ny valala : mitohy ny fampiasa angidim-by ataon’ny fitondram-panjakana

0
Antony nahatonga ny fitombon’ny andiam-balala tamin’ity taona ity ny fiantraikan’ny fiovan’ny teotry ny andro sy ny fisin’ireo andro ratsy izay nifandimby teto amintsika araka ny nambaran’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana. Ankilany manoloana ny fisian’ireo andiam-balala manerana ny distrika maro, ampy ary tsy misy hatahorana ireo fanafod ampiasaina amin’ny famonoana andiam-balala ananan’i Madagasikara hatreto.