mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 mai 2022

Rallye historique de régularité : ho tontosaina ny faha-28 sy 29 mai ho avy izao ny andiany voalohany

0
Anomboka amin’ny sabotsy ho avy izao ary hitohy ny ampitso ny rallye historique de régularité. Anisany mampiavana ny fifanianana ny fampiasana ireo fiara modely tao alohan’ny taona 89. Ny fanarahina ireo lalanan’ny fifamoivoizana no anisany ho tsaraina amin’ity andiany voalohany ity izay misokatra ho an’ireo mpankafia fiarakodia rehetra.

Fitantanam-bolam-panjakana : tsy ampy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena

0
Tsy ampy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena hisihan’ny mangaraharaha amin’ny fomba fitantanana ny tetibolam-panjakana, indrindra tanaty ny vanimpotoana nisihan’ny hamehana raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny firaisamonim-pirenena MSIS-Tatao. Anton’izany ny tsy fisihan’ny fampahafantarana mazava ny fampiasana ny tetibola, eo koa ny fikatonan’ny tomponandraikitra amin’ny famolavolana izany.

Antenimierampirenena : mampametra-panontaniana ny fiasan’ireo Solombavambahoaka

0
Mampametra-panontaniana ny fomba fiasan’ireo Solombavambahoaka eny Tsimbazaza hoy ny mpanao politika nanaovana fanadihadiana manolona ny fahavitsian’izy ireo tonga mivory sy manatrika ny asam-baomieza isan-tokony tokony ho atao. Fanaovana tsnotsinona ny vahoaka nifidy azy ireo izany fij=hetsika izany raha ny fanazavana.

« Ascension » : manamafy ny fiorenana amin’ny finoana ho an’ny kristianina

0
Ho an’ny mpino kristianina, marihina androany 26 Mai ny andro niakaran’i Jesosy Kristy velona tany an-danitra na ny “Ascension”. Ho an’ireo fiangonana teto andrenivohitra , nisy ny fotoam-pivavahana. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny mpitandrina nanaovana fanadihadiana, fehin-kevitry ny andro fiakarana ny fahatahorana an’Andriamanitra.

Mbola RAJAONAH : voaheloka 5 taona an-tranomaizina, miampy lamandy 27 lavitrisa Ariary

0
5 taona an-tranomaizina sazy mihatra, miampy lamandy 27 Miliara Ariary ireo no sazy azon’i Mbola RAJAONAH raha ny vokam-pitsarana nivoaka teo anivon’ny fitsarana heloka be vava teny amin’ny PAC androany maraina. Sazy mihantona kosa no azon’ireo voarohirohy niaraka taminy raha toa ka nahazo fahafahana madiodio ireo mpiasan’ny fadintseranana.