Archives quotidiennes: 30 mai 2022

Fetin’ny Reny : maro ny fianakaviana nanamarika izany tamin’ny alalan’ny fanaovana sakafo miavaka

0
Saika tamin’ny alalan’ny fanaovana sakafo miavaka sy ny fiarahan’ny fianakaviana no nanamarika ny fetin’ny Reny androany. Fialana amin’ny rotoroton’ny andavan’andro, fizarana hafaliana ary fanolorana fanomezana ho an’ny Neny no tena nampiavaka ny andro androany ho an’ny maro

Fakana an-keriny raim-pianakaviana: nivoaka ny fonja sahady ireo olon-dratsy

0
Raim-pianakaviana 71 taona monina ao amin’ny kaominina Morarano Ambatondrazaka no tratran’ny fankana an-keriny nandritra ny 12 andro tamin’ny faran’ny taona 2021. Amin’izao fotoana izao, efa tafavoaka ny fonja sahady ireo olon-dratsy raha ny fanazavana ka mampiahiahy ireo fianakaviana izay niaran-doza ankehitriny .

Fanamboarana biriky: maro ny renim-pianakaviana manao ny asa mba hamelomana ny zanany

0
Anisany asa mafy mila apiasana herim-batana ny fanam-boarana biriky. Tsy masakana ireo vehivavy renim-pianakaviana nefa izany amin’ny famelomana ny fianakaviana. Dingana maro no arahina vao vita ny fanamboarana ny biriky saingy vitan’ireo renim-pianakaviana izany nohon’ny tsy fisian’ny asa amin’izao fotoana.

Toekarena Nomerika : vonona hanampy an’i Madagasikara ny federasionina Arabo

0
Naneho ny fahavononany hanampy sy hizara ny traikefa amin’ny Madagasikara eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra ny federasionina Arabo ho an’ny toek’arena nomerika raha ny nambaran’izy ireo nandritra ny fihaonana tamin’ny filoham-pirenena Malagasy omaly. Ny filoha Andry RAJOELINA izay manatanteraka ny fitsidihina ara-pomba ofisialy any Dubaï, Émirats Arabes Unis ankehitriny miaraka amin’ireo delegasionina Malagasy hanatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena arahina fampiratiana ireo haitao ara-kajy mirindra mifandraika amin’ny toekarena nomerika .

Rallye historique de régularité : voalohany i Zézé sy Fred nitondra ny Renault 16

0
Ny Equipage nisy an’i Zézé sy Fred ary i Macray, nitondra ny Renault 16 no nahazo ny laharana voalohany nandritra ny Rallye historique de régularité. Nihainga tany Ampefy ary nihazo an’Antananarivo ireo mpifaninana nandritra ity androany famaranana ny fifaninana ity.