Archives quotidiennes: 1 juin 2022

Didipoitra Faobe : nitohy tao amin’ny kaominina Miadanandriana ny hetsika tanterahin’ny antoko MMM

0
Zaza miisa 45 tao amin’ny kaominina Miadanandriana distrikan’i Manjakandriana androany no nisitraka ny hetsika ara-tsosialy didipoitra faobe notanterahin’ny avy eo anivon’ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Tanjona ny fanampiana sy ny fitsinjovana ny mponina manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Antananarivo : mirongatra ny fandraisana zava-mahadomelina antsoina hoe « rôrô »

0
Miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny, ary mirongatra ny fandraisana zava-mahadomelina antsoina hoe « Rôrô » eto Antananarivo renivohitra. Mirongatra vokatr’izay ny tsy fandriampahalemana toy ny halatra sy ny vaky trano ary ny fanolanana, noho izy raisina in-5 isan’andro amin’ny vidiny 5000 Ariary.

Toekarena Nomerika : hiara-hiasa ny fanjakana Malagasy sy ny Arab Federation for Digital Economy

0
Hiara-hiasa ankehitriny ny fanjakana Malagasy sy ny Arab Federation for Digital Economy ho an’ny fampiroboroboana sy ny fampivelarana ny toekarena nomerika eto Madagasikara raha ny nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena SEAMLESS MIDDLE EAST 2022 notanterahina tany Dubai androany. Isan’ny tanjona kendrena amin’izany ny hametrahana ny tanàna vaovao Tanamasoandro ho "smart city" manana fotodrafitrasa nomerika avo lenta hoy ny filoha.

JIRAMA : miankin-doha amin’ny orinasa tsy miankina amin’ny famokarana herinaratra

0
Ny tsy famokarana herinaratra ataon’ny JIRAMA nanomboka ny taona 1999 no isany olana amin’io orinasam-panjakana io ka voatery tsy maintsy miakindoka amin’ireo herinaratra vidiana amin’ireo orinasa tsy miankina. Tsy marina hoy ireo mpahay toekarena ny filazana fa mivarotra fatiantoka ny orinasa JIRAMA , raha ny eto Afrika ny herinaratra eto Madagasikarano isany lafo indrindra.

Safidy : tokony hampitomboina ny isan’ireo mpanara-maso amin’ny fifidianana ho avy

0
Mila hamafisina ireo mpanara-maso isakin’ny biraom-pifidianana mba isihan’ny Fifidianan marina sy eke’ny rehetra raha ny fanazavan’ny firaisamonim-pirenena safidy androany. Manoloana izay mety ho lesoka amin’ny fifidianana ny taona 2023, nisy ny fizarana ireo paikady hanatsarana ny fifidianana karakarain’ny fiarahamonimpirenena Safidy manomboka androany ary haharitra 03 andro.

Redynamisation : mampifanditra ny antoko TIM sy ny vondrona IRD

0
Miteraka disadisa eo anivon’ny antoko TIM sy ny avy eo anivon’ny IRD ny fanatanterahana ny « redynamisation » na ny fameloma-maso ny antoko amin’izao fotoana izao. Namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny RMDM fa fanitsakitsahana ny lalàna iraisam-pirenena ny fanakanana atao amin’ny antoko TIM io. Ankilany, tsy natao hitarina ny olona hidina an-dalambe ny redynamisation hoy ireo mpomba ny fitondrana.