Archives quotidiennes: 3 juin 2022

26 juin : natomboka androany ny fankalazana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantena

0
Manomboka androany ny fanakalazana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nitsanganan’ny foloalindahy Malagasy izay hatao manerana no Nosy raha ny tatitra nataon’ny ny CNTO na ny kaomity nasionaly mpikarakara ny fanakalazana ny faha26 jona 2022. Hatao amin’ny faritra rehetra ny fankalazana ary haverina ny kerimesy sy ny lanonana hoy ireo mpikarakara. Lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity ny hoe « Ny fitiavako ny tanindrazako, mamelona ny hambopom-pirenena.»

Solombavambahoaka voafidy tao Soalala : misy baiko midina tsy hamela azy hiditra caserne, raha ny angom-baovao voaray

0
Misy baiko midina avy amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena amin’izao fotoana izao, tsy mamela ny solombavambahoaka voafidy tao Soalala hiditra Caserne, raha ny angom-baobao voaray ankehitriny. Raha ny fanazavana azo hatrany, noho ny resaka fitondratena tsy mendrika tamina zandary sy manamboninahitra tao amin’ny Caserne no anton’ny nandraisana fepetra. Nitondra ny fanazavany mikasika ny zava-misy any Soalala sy any Mahajanga ankilany ny solombavambahoaka raha nanontaniana mikasika ny raharaha.

Fandrim-pahalemana: mirongatra ny fakana an-keriny

0
Miteraka savorovoro eny anivon’y fiarahamonina ny tranga fankana ankeriny izay misesisesy tamin’ity herinadro ity. Vehivavy miisa roa no sendran’izany fakana ankeriny izay raha ny tatitrin’ny polisim-pirenena. Manoloana ireo tranga fakana ankeriny ireo, nanambara ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa hanamafy ireo fepetra amin’ny fandrim-pahalemana.

Lalàna mikasika ny ITG : notsipahin’ny « conférence des Présidents »

0
Notsipahin’ny « Conférence des Présidents » eny anivon’ny Antenimierampirenena androany ny fampidirana ao anatin’ny volavolam-pandaharam-potoana ilay tolo-dalàna mahakasika ny ITG na ny Interruption Thérapeutique de Grossesse. Teboka maromaro no antony tsy nanekena ny hirosoan’ity tolo-dalàna ity ary mifanipaka ihany koa amin’ny lalàm-panorenana.

Trondro maty tao Taolagnaro : efa nivoaka ny ampahany tamin’ny fanadihadiana

0
Samy nanao ny fanadihadiana mahakasika ny antony nahafaty ireo trondro tany Andrakaraka avokoa ny fanjakana Malagasy sy ny teo anivon’ny orinasa QMM hoy ny Minisitry ny rano androany. Efa nivaly amin’ny ampahany ny valin’ny fanadihadiana ary fantatra fa nisy ny tsy fanarahana ny fenitra nataon’ny orinasa QMM.

Solo Andrianasolo : ny alahady izao, ao amin’ny Canal Olympia Iarivo

0
Mamaraparana ny famerenana amin’izao fotoana ny ekipan’i Solo Andrianasolo hotronin’i Antsan’i Kristy amin’ny fampisehoana ho tanterahana etsy amin’ny Canal Olympia Iarivo ny alahadin’ny Pentekista izao. Vonona ireo mpanakanto hihira fiderana hiaraka amin’ireo mpankafy.

Fitaterana an-tariby : maherin’ny 950 tapitrisa Ariary ny GAP ho raisin’ny fanjakana an-tanana

0
Nanaitra tanatin’ny filankevitry ny minisitra omaly ny mikasika ny fanefan’ny fanjakana Malagasy ny tetibola maherin’ny 950 tapitrisa Ariary voafaritra anaty ny GAP famatsiana ny fanombohana ny tetikasa fitaterana an-tariby. Sora-bola hiantohan’ny fanjakana Malagasy ankoatry ny findramam-bola maherin’ny 116 Tapitrisa Euros natao tamin’ny tahirim-bola Frantsay ho an’ity tetikasa ity.