Archives quotidiennes: 7 juin 2022

Alatsinain’ny Pantekoty : nilamina amin’ny ankapobeny ireo fety aman-danonana

0
Nilamina amin’ny ankapobeny ireo fety aman-danonana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina tamin’ity Alatsinain’ny Pantekoty ity. Tratra ny tanjona napetraka hoy ny mpikarakara ny hetsika teny amin’ny Club Nautique Ivato, nanaovana ny fnadihadiana.

Fasan’ny karana : tokony havaozina ny toerana fa tsy hafindra eny Ambohimanambola

0
Mitaky ny hanavaozana sy hanajariana ny toerana efa misy azy ireo ankehitriny ireo mpitatitra eny amin’ny Fasan’ny Karana. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampindrana eny amin’y toby fiantsonana Ambohimanambola ary tsy mahavaha olana na ho an’ny mpitatitra na ho an’ny mpandeha.

Parc Tsimbazaza : vitsy ny mpitsangatsagana

0
Vitsy ny mpitsangatsagana tonga tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazana tamin’ity androany ity. Nilaminany tamin’ny ankapobeny ny teny an-toerana, tsy nisy ihany koa ny filaharam-be. Antony teny ambony no natao fidirana, ary fivoahana ny teny amin’ny fidirana teo aloha.

Fakana an-keriny : mihatra amin’ny tovovavy 15 hatramin’ny 21 taona hoy ny mpitsabo

0
Tovovavy 15 hatramin’ny 21 taona eo ankehitriny no tena iharan’ny fakana an-keriny, hoy ny Mpitsabo. Tsy maintsy hirosoana ny fanentanana sy fampitoniana ary fanaraha-maso ireo zaza niharan’ny kafana an-keriny hoy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika izay, nitsidika sy nankahery ani’ Fanantenana sy Ordia, nisy naka an-keriny teny amin’ny 67 Ha.

Taxi-bicyclette : isan’ny asa niforona vokatry ny krizy ara-pahasalamana

0
Isan’ny asa iray niforona teto an-drenivohitra vokatry ny krizy ara-pahasalamana ireo Taxi-bicyclette mampitohy an’Anosibe Anosizato hatrany amin’ny Kaominina Ampitatafika. Manodidina ny 180 amin’izao ankehitriny ireo lehilahy manao ity asa ity ary 1 000 Ariary ny saran-dalana.

Fivarotana lavanila : tokony halalahana hisian’ny fifaninanana hoy ny Solombavambahoaka

0
Tokony halalahana ny tsenan’ny lavanila eto Madagasikara hisian’ny fifaninanana hoy ny solombavambahoakan’Antalaha. Tsy mihaino ny eny ifotony ihany koa ny minisitera mpiahy manoloana ireo soso-kvitra maro naroso ho fanatsarana ny vidim-bokatra ho tombotson’ny tantsaha hoy hatrany ny fanazavana.