Archives quotidiennes: 9 juin 2022

SAHOFIKA : nekena ny fampidirana ny fanjakana Malagasy ho Actionnaire anatin’ny NEHO

0
Lany teny anivon’ny Antenimierampirenena androany ny volavolan-dalàna mikasika ny fidiran’ny fanjakana Malagasy ho isan’ny actionnaire anatin’ny vondrona NEHO amin’ny fanatanterahina ny tetikasa Sahofika. Natao izany ho fanarahamaso sy hofandraisan’ny fanjakana anjara amin’ny fitantanana amin’ny fametrahana ny tohadrano hamokatra herinaratra ao anatin’ny tetikasa Sahofika, izay hanampy amin’ny famatsiana ny herinaratra ho an’i RIA na ny Réseau Interconnecté d’Antananarivo.

Malagasy Miara-Miainga : mitohy ny fanomezana tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka

0
Nitohy tao amin'ny Kaominina Alarobia, distrikan'i Manjakandriana ny fanaovana ny didipoitra faobe tanterahin'ny antoko Malagasy Miara-miainga. Hetsika izay tafiditra ao anatin'ny tamberin'andraikitra ho an'ny Vahoaka.

Andry RAJOELINA : tsy maintsy ravaina ireo tambazotra mpangalatra tany eto Madagasikara

0
Tsy maintsy ravana ny tambazotra mpangalatra tany eto Madagasikara hoy ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, nandritry ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Fikaonan-doha nasiolany ny fananan-tany teny Ivato ny maraina teo. Ny tambazotra izay ahitana olom-boafidy, olom-boatendry, mpandraharaha sy mpitsara raha ny fanazavany hatrany.

Fakana an-keriny : ny 04 tamin’ireo tranga miisa 09 no voamarina ho fakana an-keriny

0
Miisa 09 ny tranga fakana an-keriny voarain’ny mpitandro filaminana ka ny 04 tamin’ireo no vomarina fa tena fakana an-keriny. Miisa 10 kosa ireo olona voasambotra noho ny fitazonana zava-mahadomelina mahery vaika ka ny 02 teratany sinoa, 02 Afrikanina ary teratany Malagasy ny 06, ka ny iray tamin’ireo mbola mamita sazy eny am-ponja. Ireo no fantatra nandritry ny fidinana ifotony nataon’ny EMMOANT teto Antananarivo renivohitra omaly.

Filohan’ny VOI Mailo : mitaky ny hanasaziana ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ny zanany

0
Andian'olona avy any amin'ny fokontany Vohitsarahasina distrikanAndrahamasina no namono nahafaty an'i tompokolahy Rakotoarisoa Henri filohan'ny VOI "MIALO " avy ao Ankazondandy kaominina Mangarivotra (ex Beparasy) faritra Alaotra Mangoro tamin'ny faran'ny herinandro iny. Raha ny fitantaran'ny zanany, nofandrihina ity lehilahy 70 taona ity ary nitarika ny famonoana azy. Mitaky ny hanasaziana ireo nahavanon-doza ankilany ny fianakaviana niharam-boina.

Fitrandrahana : ahitana endrika kolikoly maro

0
Isany ahitana ny kolikoly avo lenta ny raha ny fanadiadiana natao ny sehatry ny fitrandrahana ka nanaovan’ireo fikambanana miady amin’ny kolikoly fanairana. Nampahafatarina teny amin’ny UCM androany ankilan’izay ny andiany faha-10 amin’ny gazety boky Trandraka by Malina, fanadihadiana niompana betsaka tamin’ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana.

Fananan-tany : eny anivon’ny Fitsarana no olana hoy ny Solombavambahoaka

0
Eny anivon’ny Fitsarana no olana ka miteraka ny fahorian’ny vahoaka raha ny fananan-tany no resahana hoy ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ary tsy tokony ho hamaivanin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara izany. Nanamafy ankilan’izay ny SMM fa tsy ny fananganana ny « Tribunal Spécial Foncier » no vahaolana amin’izany.