Archives quotidiennes: 10 juin 2022

Ambatolampy tsimahafotsy : olona 17 niakatra teny amin’ny PAC noho ny ady tany

0
Olona miisa 17 no niakatra teny amin’ny PAC noho ny ady tany teny Ambatolampy tsimahafotsy, ka ny 04 tamin’ireo ihany no arahin’ny Fitsarana maso akaiky, ny 13 ambiny nahazo fahafahana vonjimaika eo am-piandrasana ny Fitsarana azy ireo.

CENI : maherin’ny 26 Lavitrisa Ariary ny tetibola hanatanterahana ny « Refonte » ho an’ny taona 2022

0
Maherin’ny 26 Lavitrisa Ariary ny tetibola hanatanterahina ny fanaovaozana tanetraka ny lisim-pifidianana ho amin’ity taona 2022 ity raha ny nambaran’ny filohan’ny CENI androany. Tanjona ny havoasoratra olom-pirenena manan-jo hifidy miisa 13 500 000 anatin’ny lisim-pifidinana hoasiam-panavaozana raha ny fanazavana. Notanterahina androany ny atrikasa fampandinihana ny fomba hanatanterahina ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana izay nokarakarain’ny CENI niarahana tamin’ireo mpisehatra samy hafa.

Zava-mahadomelina mahery vaika : miparitaka manerana ny Nosy

0
Tsy eto Antananarivo ihany no ahitana ireo zava-mahadomelina mahery vaika fa efa miparitaka manerana ny Nosy, raha tsy hilaza afatsy ny any Antsiranana sy Mahajanga. Miantso ny andraisana fepetra entitra, hitadiavana izay mpanafatra azy avy any ivelany sy mampiditra izany eto amintsika ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena noho izany manimba tanora sy mampiparitaka karazan’ aretina maro.

Ankoririka – Ambatondrazaka : zaza telo no nisy naka an-keriny

0
Zaza 03 mianadahy no nisy naka an-keriny tao Ankoririka Ambatondrazaka omaly hariva tokony ho tamin’ny 06 ora ary mbola karohina hatramin’izao. Hatreto, tsy nisy antso fitakiana vola na fitakiana zavatra hafa nataon’ireo mpaka an-keriny.

Toliara: lehilahy iray no hita faty teo amoron-dranomasina ao Andaboy

0
Lehilahy iray no hita faty teo amoron-dranomasina Andaboy any Toliara ny Maraina teo. Mifatotra tady ny Tanana sy ny vozony izay tranga tsy fahita eny an-toerana.

Kaominina : samy manana ny fomba hanamarihany ny fetim-pirenena

0
Samy nanokana teti-bola manokana hanamarihana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantena ireo Kaominina na an-drenivohitra izany na ambanivohitra. Toa taona tsy nisy ny fankalazana noho ny fihibohana vokatry ny Covid-19, araka izany, samy nanomana teti-bola tamin’ity taona ity.

Fanombanana ny politikam-panjakana : tsy raikitra ny fandaniana ny tolo-dalàna

0
Tsy tontosa ny fandaniana ny tolo-dalàna momba ny fanombanana ny politikam-panjakana teny anivon’ny Antenimierampirenena androany. Tsy nahatratra ny fetr’isa nahafahana nanatanteraka ny fivoriana ny solombavambahoaka tonga teny antoerana. Tsy nisorona arak’izany ny filohan’ny kaomisiona misahana ny fanombanana ny politikam-panjakana nilaza fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny asan’ny solombavabahoaka nandritra ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity.

Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana : tsy andray anjara amin’ny fakan-kevitra ny antoko mpanohitra

0
Tsy andray anjara amin’ny fikaonandoha sy ny atrikasa fakan-kevitra mikasika ny fanaovazana tanteraka ny lisim-pifidianana tanterahin’ny CENI ankehitriny ny avy amin’ny antoko mpanohitra sy ny vondrona Mpanorama raha ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Anton’izany ny tsy fanajana ny fametrahana ireo rafitra sy ny lalàna amin’ny fanomanana ny fifidianana raha ny fanazavana.

EPS Bacc : miisa 05 ireo mitondra vohoka nanomboka tamin’ny talata 07 jona

0
Miisa 05 ireo zatovovavy nitondra vohoka tao anatin’izay telo andro nanombohan’ny adina ara-panatanjahan-tena bacc tetsy amin’ny kianja an’Alarobia izay. Ny roa tamin’ireo 05 vavy no nanafina izany fitondrana vohoka izany ka tao anatin’ny fizaham-pasalamana no nafantarana ny toe-batana. Raha ny fanadihadiana, vokatrin’ny tsy fanaovana fanazarantena no antony mahatonga ireo mpiadina ho torana izay tranga mateti-piseho mandritra ny adina ara-panatanjahantena.