Archives quotidiennes: 13 juin 2022

Nanambara fa tsindry ara-politika no mahazo an’ ny mpandrindra nasionaly ny antoko HVM

0
Tsy ekena ny tsindry ara-politika atao amin’ny mpandrindra nasionaly ny antoko HVM Rivo Rakotovao manoloana ny fampiatsoana azy eny anivon’ny BIANCO raha ny fanambarana nataon’ny RMDM Toliara androany. Manahy ny amin’ny hisihan’ny tetika hanebatsembanana sy hampihorohorana ity mpikambana anatin’ny RMDM ity kosa ny RMDM disapora raha ny fanambarana navoakan’izy ireo.

Tsena Pavillon Analakely: nisy ny fanavaozana nataon’ ireo mpivarotra

0
Nandoko sy nanao fanatsarana ny pavillon ireo mpivarotra tombon-tsena tetsy Analakely androany. Anton’ny hetsika ny firaisankiana sy fanehoana manoloan ny resa-be mikasika ny ny fanisana ireo tsena misy ny mpivarotra. Nanamafy ankilany ny ben’ny Tanàna fa mbola ny kaominina hatrany no mitantana ireo tsena eto Antananarivo ary miara miasa amin’ny orinasa tsy miankina ny kaominina amin’ny fanisana tsena faobe.

Lalana 67ha – Andohatapenaka : hisy ny fanamboarana ho tontosaina

0
Lalana simba sy goaka mirefy 800 metra toradroa isan’andro no vitan’ny kaominina Antananarivo renivohitra miaraka amin’ny ireo mpiara-miasa raha ny fanazavan’ny ben’ny Tanana. Tafiditra amin’ireo laharampahamehana ho havaozina ny lalana mampitohy an’I 67 hektara sy Andohitapenaka.

Fiarahamonina Malagasy : mihavery ny fahaiza-miaina sy ny fitsinjovana ny hafa

0
Mihavery ny fahaiza-miaina sy ny fitsinjovana ny hafa eny anivon’ny fiarahamonina eto amintsika ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany ary samy manana andraikitra amin’ny fanitsiana sy ny fanabeazana avokoa ny olom-pirenena tsirairay avy. Natao hiara-monina ny olombelona ary misy fitsipika arahina izay tokony ho lasa toe-tsaina sy toe-po ho an’ny tsirairay avy.

Ambatondrazaka : mirongatra ny fakana an-keriny

0
Mirongatra ny fakana an-keriny any Ambatondrazaka. Taorian’ny halatra ankizy miisa 3 tany an-toerana andro marto lasa izay, ankizy 16 taonga iray hafa indray no nisy naka an-keriny tany an-toerana tamin’ity herinandro ity. Maty voatifitry ny mpanao asa ratsy ny rain’ilay ankizy nandritra ny nakan’izy ireo ilay ankizy.