Archives quotidiennes: 22 juin 2022

AN : misy tsy mazava ny fandinihana sy ny fampandaniana ny LFR hoy ireo solombavambahoaka

0
Misy tsy mazava ary mampametra-panontaniana ny fandinihana sy ny fampandaniana ny LFR na ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2022, hoy ireo solombavambahoaka naneho ny heviny, taorian’ny fanemorana ny fanolorana tokony ho nataon’ny Minisitry ny Fitantanam-bola androany. Ny LFR izay iankinan’ny fiainam-pirenena iray manontolo.

AN : nahemotra rahampitso ny fanoloran’ny Minisitra ny LFR

0
Noho ny tsy fahatongavany tamin’ny ora farany, nahemotra rahampitso ny fanoloran’ny Minisitry ny Fitantanam-bola ny LFR na ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2022 izay tokony ho natao teny amin’ny Antenimierampirenena androany. Ny fandaharam-potoana tokony ho nataon’ireo Solombavambahoaka ny zoma ho avy izao indray no naroso androany.

KMF/Cnoe : tokony hampianarina fa tsy harovana ireo Ben’ny tanàna

0
Hampiofanina sy hampianarina ireo Ben’ny tanàna mba tsy hanaonao foana sy handika lalàna hoy ny KMF/Cnoe. Izay no tokony hirosoana fa tsy ny fanovana ny lalàna entina miaro azy ireo. NY tolo-dalàna 009-2021 nolanian’ny antenimierampirenena izay mampanjaka goragora eto amintsika hoy ity fiarahamonim-pirenena ity.

Mpianatra mpitsabo : mitaky ny fampiakarana karama

0
Mitaky ny fitovian-zo mitovy ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra ireto mpianatra mpitsabo izay manatanteraka asa eny anivon’ny hopitalim-panjakana. Raha ny fanazavana, Misy ny fikorotanana amin’ny fandraisana ny karama isam-bolana eo ihany koa ny tsy fisitrahana fisodrotan-karama ho 13% toy ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra. Androany nanao hetsika fanairana tetsy amin’ny DRSP Analamanga ireto mpitsabo mpiana-draharaha ireto.

Fiarovana ny Sokatra : efa nipetraka ny « Tafo Mihaavo » any Atsimo-Andrefana sy Androy

0
Ho fiarovana ireo sokatra efa mihalany tamingana amin’izao fotoana, efa nijoro ny « Tafo Mihaavo » any amin’ny faritra Atsimo-Andrefana sy ny faritra Androy, izay tambazotran’ny fokonolona mitantanana ny harena Voajanahary. Na izany aza, mbola misy ny lesoka amin’ny fampiharana ny dinan’ny fiarovana ny sokatra.

Mpiasa – Minisiteran’ny raharaham-bahiny : hitokona manomboka ny zoma ho avy izao

0
Hiditra amin’ny fitokonana ireo mpiasa eo anivon’ny minisitran’ny raharaham-bahiny manomboka ny zoma ho avy izao hoy ny filohan’ireo sendikan’ny mpiasa eo anivon’ity minisitra ity androany. Tsy fandraisana ny tambim-karama, fanitsakitsahana ny zo maha-olona ataon’ireo tomponandraikitra, isan’ny antony hirosoana amin’izay fitokonana izay.

Fetim-pirenena : nanomboka androany ny kerimesy eo amin’ny kianja malalaka Betongolo

0
Ho fanakalazana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’ny firenena, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny kerimesin’ny mpitandro filaminana eny amin’ny kianja malalaka Betongolo. Kerimesy lehibe ahitana kilalao maro samihafa sy sakafo isan-karazany hamalifaliana ny vahoaka Malagasy no tanterahin'ireo Mpitandro filaminana ahitana ny Miaramila, Zandary sy Polisy.