Archives quotidiennes: 27 juin 2022

Antsirabe : nilamina ny fankalazana ny fetim-pirenena

0
Nilamina tamin’ny akapobean’ny fankalazana ny fetim-pirenena tao amin’ny faritra vakinankaratra. Tonga taty an-toerana nanome voninahitrany lanona ny loholon’i Madagasikara RAKOTONDRAINIBE NDRIANA.

Fetin’ny fahaleovantena : nahatratra 3 409 ireo nanatanteraka ny matso teny amin’ny kianja Barea

0
Tontosa androany tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lanonam-pakalazana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny niforonan’ny folo alindahy Malagasy. Nisy nandritra izany ny fanatanterahina ny Matso lehibe izay nahitana mpandray anjara miisa 3 409 avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny maro hafa. Nampiavaka ny matso tamin’ity taona ity ny fandraisana anjaran’ny avy Polisy monisipalin’Antananarivo sy ny brigade canine avy amin’ny fadintseranana.

26 jona 1960 – 26 jona 2022 : feno 62 taona androany ny niverenan’ny fahaleoantenan’i Madagasikara

0
Ny Malagasy, ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena no tomponandraikitra voalohany amin’ny fahantran’ny firenena hatramin’izao faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i izao, raha ny fanehoan-kevitry ny mpahay tantara akademisiana Ranjatohery Harilala. Raha hiverenana kosa ny tantara, fahaleovantena ara-taratasy ihany amin’ny ankapobeny ny niandoahan’ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 jona 1960. Nanomboka tTany amin’ny taona 1970 kosa no nanomboka taratry ny Malagasy ho nahaleo tena kokoa ny firenena.

Andron’ny 26 jona: maro ireo nanohy ny fitadiavana toy ny andavana’andro.

0
Maro ireo izay nisafidy anohy ny asa fivelomana mandritra ity andron’ny 26 jona ity. isany amin’izany ireo mpivarotra sy ireo fiara fitanteramb-baohaka mandritra ny tontolo andro. Nilamina amin’ny akapobehiny ny teto mahamasina hatrany analakely na nisy aza ny fanapahan-dalana nohon’ny matso lehibe.

Fidirana ny kianja Barea : Filaharam-be hatramin’ny atoandro

0
Nanomboka tamin’ny 06 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro ny filaharam-be hiditra tao amin’ny kianjan’ny barea ho an’ireo izay anatrika ny matso androany. Raha ny hita teny an-toerana ny folakadro vao nisava ny filaharana ho an’ireo izay amonjy ny podium ny ariva.

26 Juin : nisy ny fizarana fanomezana tamin’ny alalan’ny tombola teny amin’ny Kianja Barea

0
Isan’ireo nampiavaka ny hetsika fankalazana ny faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina androany ny fisihan’ny fizarana fanomezana ho an’ireo mponina tamin’ny alalan’ny Tombola. Fanomezana lehibe indrindra nandritra izany ny trano mora iray eny Imeritsiatosika izay azon’ny tapakila laharana 24 658.

Fampandrosoana ny firenena : ilaina ny firaisankinan’ny Malagasy

0
Zava-dehibe ny firaisankina ny rehetra amin’ny fanamarihana ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara raha ny fanehoankevitr’ireo tomponandraikitra samy hafa eto amin’ny firenena tonga nanotrona ny matso tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina androany. Isan’izany ireo praminisitra teo aloha, ny avy amin’ny FFKM ary ny Mpandrindra Nasionaly ny antoko HVM.