vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 29 juin 2022

Orinasa mpanao lalana : miandry sonian’ny fiadidiana ny Repoblika hahazoana ny vola

0
Miandry ny sonian’ny fiadidiana ny Repoblika hahafahana misitraka ny vola ankehitriny ireo orinasa mpanao lalana araka ny antso avo nataon’izy ireo teny Antaninarenina ny atoandro teo. Efa nolalovana avokoa ireo an-tanan-tohatra rehetra voakasik’izany hoy izy ireo, ka tsy tokony hisy antony hafa tsy hahafahana mamoaka ny vola.

Mpianatra ho mpitsabo : manome 48 ora ny Fanjakana hamaly ny fangatahan’izy ireo

0
Tsy nahazoam-baliny hatreto ny fitakiana fampiakarana ny tambin-karama nataon’ireo mpianatra ho mpitsabo raha ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Manomboka ny zoma ho avy izao, hitsahatra amin’ny asa ary hanatanteraka fitokonana faobe izy ireo raha tsy misy ny vahaolana haroson’ny fanjakana.

Fitokonan’ny mpiasa – MAE : miandry ny fanapahan-kevitry ny fiadidianan’ny Primatiora

0
Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fiadidianan’ny Primatiora no hiverenan’ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny miasa na tsia. Sonia ahafahan’izy ireo mandrazy ny tambim-karama sy mampitovy zo ny mpiasa eo anivon’ity minisitera ity.

Vidim-piainana: vinavinaina hiakatra 9,2% amin’ny faran’ny taona 2022

0
Tafiakatra hatrany amin’ny 9,2% ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’ny faran’ity taona ity raha ny vinavina ara-toekarena sy ara-bola ao amin’ny LFR 2022. Raha ny fanazavan’ireo mpahay toe-karena, mavesatra amin’ny vahoaka Malagasy io fiakaran’ny vidim-piainana ho 9,2% io.

SAMBAVA : volan’ny CLD manodidina ny 393 Tapitrisa Ariary nisy nanodikodina

0
Olona valo no voarohihory amin’ny fanodikodinana volan’ny CLD ao amin’ny Distrikan’i Sambava ka isan’izany ny Solombavambahoaka araka ny tatitra navoaky ny BIANCO. Efa eny am-pelatanan’ny PAC ny raharaha amin’izao fotoana ary miandry ny tohin’ny fanadihadiana sy ny fanesorana ny Immunité Parlementaire.

Antenimierandoholona : nankatoavina ny fandraisan’anjaran’ny fanjakana amin’ny tetikasa Sahofika

0
Lany teo anivon’ny antenimierandoholona ny hariva teo ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fifanarahana famatsiam-bola mifandraika amin’ny fandraisan’anjaran’ny Fanjakana Malagasy amin’ny petrabolan’ny Orinasa “NEHO/ Projet Hydroéléctrique de SAHOFIKA”. Ity tetikasa ity izay hampihena ny fahatapahan-jiro.

Fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka : nahazoana fitarainana betsaka ny fahatapahan-jiro

0
Maro ny teboka nahazoana fitarainana sy tsikera mivaivay avy amin’ny solombavambahoaka nandritra andro voalohany ny fihaonan’izy ireo ao anatin’ny tamin’ny mpikamban’ny governemanta androany. Ny fisondrotry ny vidim-piainana tsy mitsaha-misondrotra, jiro sy rano tapaka lava, kidnapping, anisan’ireo fanontaniana napetraky ny solom-bavambahoaka manodidina ny 20 nandray fitenenana voalohany.

Fahaverezan’ny volamena 36,43kg : nametraka fitoriana ny eo anivon’ny Primatiora

0
Isan’ireo nametraka fitoriana mahakasika ny fahaverezan’ilay volamena milanja 36,433 kg teo anivon’ny Minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika ny avy eo anivon’ny DLC Na ny Direction de la Législation et du Contentieux ao anivon’ny Primatiora sy ny Praiminisitra NTSAY Christian. Andrasana ity farany ny tohin’ny fanadihadiana.