vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 4 juillet 2022

Ambatondrazaka : nidina ny vidim-bary eny amin’ireo tantsahampamokatra

0
Na teo aza ny fahatsaran’ny voka-bary tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka tamin’ity taona ity, nihamora ny vidiny izay hakan’ireo mpanangom-bokatra azy eny amin’ireo tantsaha mpamokatra raha ny zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsy voahaja ny fepetra napetraky ny Minisiteran’ny varotra hoy ny Solombavambahoaka avy any an-toerana.

Famokarana vary : hampiasaina amin’ny vary an-tanety eto amintsika ny Nerica 04

0
Haparitaka manerana ny nosy ho an’ireo tantsaha manao vary an-tanety ny Nerica 04, izay karazana masim-boly avy any Afrika. Noho ny tsy fahampian’ny rano hanondrahana ireo tanimbary no hanosehana ny mpamboly hiditra ihany koa amin’ny vary an-tanety hoy ny tomponandraikitra.

Mananjary : manampy ny kaominina amin’ny fanatsarana ny lalana ireo fikambanan’ny tanora

0
Nirotsaka an-tsehatra nanampy ny eo anivon’ny kaominina Mananjary amin’ny fanamboaran-dalana ao amin’ny Fokontany Analanjavidy ireo tanora mivondrona ao anatin’ny fikambanana FITANAMI. Ny fahatsapan’izy ireo fa manana adidy amin’ny fampandrosoana izy ireo no antony namporisika azy ireo nanao izao asa izao.

Adilahy politika : mamotika ny fiainam-bahoaka hoy ny CFM

0
Antony iray mamotika ny fiainam-bahoaka eto amintsika ny adilahy politika izay miteraka krizy maro nifandimby. Tokony hahay haka lesona avokoa ny tsirairay, miainga amin’ny mpitondra sy ny antoko politika ary ny vahoaka izany hoy ny teo anivon’ny Coseils du Fampihavanana Malagasy CFM.