mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 juillet 2022

ACMIL : nanao ny dia an-tongotra lavitra ezaka ny andiany mivantana faha-44

0
Tafiditra ao anatin’ny fiofanana arahin’ireo mpianatra ho manamboninahitra eny amin’ny ACMIL Antsirabe ny fanaovana ny RAID na ny dia an-tongotra lavitra ezaka izay mirefy 110 kilometatra. Nisy ny démonstration iany nataon’iroe mpianatra rehefa tonga tao Moramanga, ary nirahana tamin’ny fitsidihana ny « Usine Militaire » eto Moramanga izany.

Antoko MMM : nanatanteraka didipoitra faobe tao amin’ny kaominina Sadabe

0
Zaza miisa 100 androany no nisitraka didipoitra faobe tao amin'ny kaominina Sadabe distrikan'i Manjakandrina tafiditra anatin’ny fiarahamiasan'ny ny solombavambahoakan'ny Antoko Malagasy Miara Miainga sy ny kaominina. Hetsika natao entina hanamaivanana ny fahasahiranan'ny Ray amandreny any an-toerana.

Zotra nationaly : ho jerena ny mikasika ny saran-dalana aorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika

0
Mbola tsy voafaritra ny fiakaran’ny saran-dalana any amin’ireo zotra nationaly ao aorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Hisy ny fivoriana hiarahan’ireo mpiantsehatra amin’ny fitanterana an-tanety ametrahina ny marimaritra iraisana mikasika io saran-dalàna zotra nationaly io rah any fanadihadiana.

Mpianatra mpitsabo : nanao fitokonana teo amin’ny CHU JRA androany

0
Nanao fitokonana teo alohan’ny hopitaly CHU JRA androany ireo mpianatra mpitsabo miza-draharaha taona faha 07 sy taona faha 08. Mihato hatrany ny fampandehana-draharaha eny anivon’ireo hopitalim-panjakana ho an’ireto médecin interne ireto raha toa ka tsy mivaly ny fampiarina ny fisodrotran-karama karama ho 13% raha ny fanazavana hatrany

Immunité Parlementaire : lasa fialokalofan’ny Solombavambahoaka

0
Zary lasa fialokalofana ho an’ireo Solombavambvahoaka ny fananana’izy ireo ny Immunité Parlementaire raha ny fanehoan-kevitry ny APM na ny Antoko Politika Madio androany. Raha hanana porofo mazava fa nanao heloka ny olona iray izay manana ny Immunité Parlementaire, tsy tokony hisy atakandro ny fanesorana izany Immunite izany ahafahana manenjika azy mba tsy hisian’ny fitanilana eo amin’ny raharaham-pitsarana.

Tête de cortège : manomboka eo amin’ny 250.000ariary hatrany amin’ny 3.000.000 ariary

0
Manomboka eo amin’ny 250.000ariary hatrany amin’ny 3.000.000 ariary ny fanofana voiture de luxe iray izay atao tête de cortège amin’izao raha ny fanadiadiana natao. Tsy misy navimpotoanan’ny fa saika misy faona ny fanofana fiara tête de cortège isank’erinadro. Rehefa vanim-potoana ny fialantsasatra ko no mandeha ny fanofana fiara na ireo voiture de luxe na ireo fiara hiarahan’ny mpianakavy.

UCTU : tsy hampiakatra saran-dalana

0
Nanambara ny teo anivon’ny kaoperativa mivondrona ao amin’ny UCTU fa tsy hisy ny fiakaran’ny saran-dalana ho an’ny rahampitso 05 jolay 2022. Tsy nahafeno ireo fepetra telo takiana mba ahafahana mampiakatra ny saran-dalana izy ireo ka tsy afaka ny hampiakatra izany indray araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.