Archives quotidiennes: 11 juillet 2022

Atsimo Andrefana : mahatratra 1787 ireo mpifanina hiditra ho polisim-pirenena

0
Nizotra ampilaminana ny fifaninana hidirana ho polisy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana izay tanterahana ao Toliara. Nahitana fiakarana ny taham-pandraisana anjara ho anireo mpiadina raha nitaha tamin’ny taona lasa.

Vaksiny covid – 19 : malaina amin’ny fanaovam-baksiny ireo mponina any ambanivohitra

0
Nanolotra vaksiny Pfizer 01 hetsy doses ho an’ny fanjakana Malagasy ny gouvernemanta amerikanina tamin’ny ity herinadro ity. Tafiditra ao anatin’ny paikady iadiana amin’ny aretina covid-19 maneran-tany ny fanampiana vaksiny raha ny fampitam-baovao. Ankilan’izany, tsapa fa mbola vitsy ireo izay misafidy ny anao vaksiny indrindra ireo mponina mipetraka any ambanivohitra raha ny fanadihadiana teny amin’ny kaominina Ambanivohitra iray.

Augustin Andriamananoro : nambarany omaly fa hilatsaka ho kandida Filoham-pirenena amin’ny 2023 ny Filoha Andry RAJOELINA

0
Efa manomboka amin’ny fanatanterahana ny fampielezan-keitra mialohan’ny fotoana ny mpomban’ ny Filoha Rajoelina amin’zao fotoana izao. Nanambara ohatra tale jeneraly misahana ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, Augustin Andriamananoro nandritra ny fitsidihana notontosainy tany Tsiroanomandidy fa ho kandida Filoham-pirenena ny taona 2023 ny Filoha Andry Rajoelina.

Ady amin’ny herisetra : mitombo isa ireo vehivavy mianatra « self défense »

0
Manoloana ny firongatry ny tsy fahandriam-pahalemana tatoato, tsy mifidy taona fa maro no misafidy ny hianatra na handefa ny zanany hianatra self defense. Efa maromaro ny karazana haiady eto amintsika , tafiditra ao anatin’izany ny haiady nampiasan’i Bruce Lee.