mercredi 24 avril 2024
Accueil 2022 août

Archives mensuelles: août 2022

Fakana an-keriny tao Ambodirano : vola mitentina 35 tapitrisa Ariary no natao takalon’aina

0
Vehivavy iray monina ao Ambohimiangaly kominina Ambodirano no nalahin’ireo jiolahy an-keriny nadritra ny 01 volana mahery. Vola mitentina 300 tapitrisa ariary ny fitambarany azon’ireo jiolahy takalon’aina tamin’ireo olona maro nosamborina ka 35 tapitrisa Ariary tamin’izany no nomen’ireo fianakavianan’I Jeanine vao avotra ity farany.

Tsena VMMM : nitohy teny Ambohijanaka sy Ambohimanarina 

0
Ireo mponina ao amin’ny Kaominina Ambohijanaka sy ny teny Ambohimanarina – Biroboritany faha-6 indray no nisitraka ny hetsika famarotana ny fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary, izay karakarain’ny fikambanana vehivavy Malagasy Miara-Miainga na ny VMMM androany. Hetsika izay natao ho fanalana fahasahiranana ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra.

JMJ MADA 2022 : tsy tokony idiran’ny fitsarana politika ny fiainam-piangonana

0
Manoloana ny resa-be mikasika ny lokona fanomezana natolotry ny filohan’ny repoblika ho an’ireo mpizaika, nitondra fanazavana mikasika izany androany ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Fiangonana katolika. Ankilany, lohahevitra manokana ho entin’ny fiangonana katolika amin’ity hetsika ity ny hoe « Mitsangana fa ataoko vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao ».

Vidin-kena : tsy misy ny omby, tsy hitsahatra hiakatra ny vidiny

0
Mbola hikatra hatrany ny vidin’ny henomby sy ny henakisoa ao anatin’ny volana maromaro hoy ireo mpivarotra raha nanontanina. Eny ifotony no mampiakatra ny vidin’ny omby manampy izany ihany koa ny fiakaran’ny vidin-tsolika hitanterana ireo omby miakatra eto Antananarivo. Mihena ihany koa ny omby vonoina eny amin’ny abattoir hoy ny tompon’andraikitra.

Tafika Malagasy : handraisana fepetra ireo rehetra manao fihoaram-pefy

0
Handraisana fepetra avokoa ireo miaramila manao fioharam-pefy hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena raha nanotaniana mahakasina ny tranga famonoana zandrary nataon’ny miaramila avy tao amin’ny Bataillon D'Appui Feu. Efa voatazona ao amin'ny Zandarimaria ao Imeritsiatosika hatao fanadihadiana ny 2 ary karohina kosa hatreto ireo 2 ambiny. Tsy maintsy asiana ny mason-tsivana ny fampidirana miaramila hoy ny ministra tompon’andrikitra.

Harena an-kibon’ny tany : hampiakarina ny tamberim-bidy efain’ny orinasa

0
Hampiakarina ny tamberim-bidy efain’ireo orinasa vaventy mitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Ny taha 02% hampiharina eto amintsika ankehitriny izay ambany indrindra maneran-tany ka vinaina hampiakarina hatramin’ny 08%.

Firaisamonim-pirenena : mitaky ny politikam-panjakana momba ny harena an-kibon’ny tany

0
Tsy maintsy mahazo ny fankatoavana avy amin’ny vahoaka eny ifotony ireo orinasa mialohan’ny hitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany hoy ny vondron’ny firaisamonim-pirenena androany. Takian’izy ireo ihany koa ny famoahan’ny fanjakana ny politika momba ny ity sehatra ity nandritra ny famaranana ny atrikasa famolavolana ny code minier.

Tsena VMMM : nitohy tao Ifarihy ny fivarotana ireo fitaovan’ny mpianatra amin’ny vidiny mirary

0
Nitohy tany Ifarihy kaomoinina Ankaraobato ny hetsiky ny vehivavy Malagasy miara miainga izay mivarotra ireo fitaovan’ny mpianatra amin’ny vidiny mirary. Ho an’ny androany, fahombiazana ny hetsika raha ny fanazavan’ireo tomponadraikitra hatrany.

Antsirabe : miakatra ny lentan’ireo mpilalao taranja e-Sport ao amin’ny faritra Vakinankaratra

0
Tontosa tao Antsirabe nandritra ny 02 andro ny fifaninana taranja e-sport Cyber Game Contest izay nokarakarain’ny fahitalavitra KOLO TV sy ireo mpanohana maro be. Tsikaritra nandritra ny fifaninana fa niakatra ny lentan’ireo mpilalao any an-toerana raha mitaha amin’ireo faritra eto madagasikara efa nolalovan’ny ity fifaninana e-sport Cyber Game Contest ity .

Bakalorea : nihena 14,75% noho ny taona lasa tahan’ireo afa-panadinana teto Antananarivo

0
Nihena 14,75 % ny taham-pahafahana tamin’ny fanadinana bakalorea ankapobeny tamin’ity taona ity ho an’ny faritanin’Antananarivo raha noharina ny taona lasa. Izany hoe, 43,73% no afa-panadinana raha toa ka 58,48% izany teo aloha.