mercredi 17 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 août 2022

Tsena VMMM : nitohy tao Ifarihy ny fivarotana ireo fitaovan’ny mpianatra amin’ny vidiny mirary

0
Nitohy tany Ifarihy kaomoinina Ankaraobato ny hetsiky ny vehivavy Malagasy miara miainga izay mivarotra ireo fitaovan’ny mpianatra amin’ny vidiny mirary. Ho an’ny androany, fahombiazana ny hetsika raha ny fanazavan’ireo tomponadraikitra hatrany.

Antsirabe : miakatra ny lentan’ireo mpilalao taranja e-Sport ao amin’ny faritra Vakinankaratra

0
Tontosa tao Antsirabe nandritra ny 02 andro ny fifaninana taranja e-sport Cyber Game Contest izay nokarakarain’ny fahitalavitra KOLO TV sy ireo mpanohana maro be. Tsikaritra nandritra ny fifaninana fa niakatra ny lentan’ireo mpilalao any an-toerana raha mitaha amin’ireo faritra eto madagasikara efa nolalovan’ny ity fifaninana e-sport Cyber Game Contest ity .

Bakalorea : nihena 14,75% noho ny taona lasa tahan’ireo afa-panadinana teto Antananarivo

0
Nihena 14,75 % ny taham-pahafahana tamin’ny fanadinana bakalorea ankapobeny tamin’ity taona ity ho an’ny faritanin’Antananarivo raha noharina ny taona lasa. Izany hoe, 43,73% no afa-panadinana raha toa ka 58,48% izany teo aloha.

Jesosy Mamonjy Ankorondrano : niverina nisokatra androany

0
Niverina nisokatra ary nanatanteraka fitoam-pivavahana androany ny teny anivon’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano. Tsy niditra ny fiangonana kosa ireo mpino tsy nankatoa ny vokam-pifidinanana ary mangataka ny hamerenana izany. Nahitana mpitandro ny filaminana avokoa ireo faritra manodidina teny ankorondrano nandritra izany.

RAVAVIBE : 107 taona izy izao

0
Fanadihadiana miavaka indray no hoentina aminao amin’ity manaraka ity. 107 izao i RAVAVIBE na i Bebe vavy. Salama tsara izy amin’ny ankapobeny hoy ireo zanany, ary mbolka mahatadidy tsara.