Archives quotidiennes: 19 septembre 2022

Mbola Rajaonah : nataon’ny zandary fisavana ny trano fonenany androany

0
Nataon’ny mpitandron’ny filaminana fisavana na perquisition ny trano fonenan’i Mbola Rajaonah eny Ambohimahitsy androany. Ahiana mikasa hanongampanjakana na soupçonné d’atteinte à la sureté intérieure de l’état no anton’ny fisavana raha ny voalaza.

Betsingilo- Toliara II: Vehivavy mpandraharaha iray maty nisy nitifitra tao anaty fiarany

0
Nisehoana tranga vono olona ny tao amin’ny fokontany Betsingilo, kaominina Betsinjaky Distrikan’i Toliara faharoa omaly hariva. Vehivavy mpandraharaha iray no lasibatrizay vono izay ary lasan’ireo olondratsy avokoa ny vola tao anaty fiarany.

Fiangonana Jesosy Mamonjy : mizara roa ireo mpino tao Ankorondrano

0
Toerana roa androany no nahitana ny fivoriam-bavaky ny mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Ireo tsy mankasitraka ny voka-pifidianana, nitarika fihaonamben’ny mpino teny amin’ny fiangonana 67 ha. Tao ireo nijanona teny amin’ny foibe teny Ankorondrano.

TOAMASINA: sarona ireo mpiasa mpanao solika hosoka

0
Tratra ireo mpanao solika hosoka sasany ao Toamasina. Raha ny fanadihadiana, fampifangaroana ny solika fandrehitra amina karazana asidra maro samy hafa mba hitovy loko amin'ny gazole no hosoka nataon’ireo mpanao azy. Tsy fantatra mazava hatreto ny toerana hanapariahan’izy ireo ny solika efa misy izay fangaro izay.

Mpiasam-pirenena misotro ronono : hihamafy ny fitakiana raha tsy mahazo valiny

0
Hanamafy ny hetsika ho fitakiana ny handoavana ny vola mahakasika ny tambim-pandehanana misotro ronono ny sendika ny mpiasam-panjakana misotro ronono araka ny fanambarana nataon’izy ireo. Efa maro ny antanan-tohatra nandehanana raha ny fanazavana saingy fifanilihana andraikitra no hita.