Archives quotidiennes: 10 janvier 2023

BNGRC : efa vonona ny fitaovana hiatrehana ny vanim-potoan’ny rivodoza

0
Efa vonona ny fitaovana hiatrehana ny loza voajanahary rehetra tahaka ny tondra-drano misy isan-taona eto Madagasikara hoy ny teo anivon’ny BNGRC na ny birao nasionaly misahana ny lozavoajanahary androany. An’aliny isan-taona ny Malagasy voakasiky ny loza voajanahary, misy ireo ravafanana tanteraka, anjatony ireo namoy ny ainy. Nanao tatitra mahakasika izany ny BNGRC androany.

Fidiran’ny mpianatra : ho vitaina anatin’ny telo volana ny fandaharam-pianarana

0
Ho vitaina anatin’ity telo volana faharoa ity ny fandaharam-pianarana, indrindra ho an’ireo kilasy hanala fanadinana. Isan’ny fepetra noraisana ity fanapahan-kevitra ity ho an’ny sekoly tsy miankina nanaovana fanadihadiana, hahafahana manamafy ny famerenan-desona amin’ny telo volana farany.

Fanomanana Fifidianana : tsy hita soritra mazava ny fahavonon’ny Fanjakana

0
Mampanahy ihany ny mahakasika ny fanomanana sy ny fiatrehana ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity, hoy ireo mpanao politika nanaovana fanadihadiana androany. Hita taratra ankehitriny fa tsy manana fahavononana hiatrika fifidianana ny fitondram-panjakana mijoro.

TOLIARA: mpangalatra cyclo-pousse miisa 4 no saron’ny mpitandro filaminana

0
Mirongatra ny resaka halatra posy ao Toliara ao amin’izao fotoana izao. Androany maraina dia mpangalatra cyclo-pousse miisa 4 no tratehaky ny police avy eo anivon’ny commissariat de police Betania.

ONG Ivorary : hamoaka tombana momba ireo fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena

0
Amin’ny faramparan’ny volana Oktobra ho avy izao no hamoaka am-pahibemaso ny valin’ny fandihadiana nataony ny ONG Ivorary, mahakasika ny fahatanterahan’ireo fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ny vahoaka Malagasy araka ny nambaran’ny Tale mpanatanteraka an’ity fikambanana tsy miankina ity androany. Hahafahana misintona ny sain’ny vahoaka mialohan’ny fifidianana izany raha ny fanazavany.

RMDM : tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana 2023

0
Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana 2023 ny eo anivon’ny antoko RMDM na ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara raha ny nambarany mpitarika androany. Ankoatra izay, nanamafy ny tokony hanatsarana ny lalam-pifidianana ihany koa ny filoha mpitarika. Eo ihany koa ny fanavaozana indray ny lisitry ny mpifidy amin’ity volana janoary ity, hialana amin’ny korontana ara-politika mialohan’izao fiantrehana ny fifidianana amin’ity taona 2023 izao.

SOLIKA HOSOKA: tsy mbola hita soritra ny vokatry ny fanadihadiana nampanantenaina

0
Dimy volana aty aorian'ny nahatratrarana ireo toerana sy ambina solika ary ireo fitaovana fikirakirana sy fanampohana solika teto Toamasina. Olona telo farafahakely no fantatra fa mihitsoka ao amin'ny Fonjan'Ambalatavoahangy hatramin'izao, raha toa ka ampolony ireo mpiasa irakiraka voarohirohy tamin'ity raharaha ity. Tsy mbola hita soritra ny valin'ny fanadihadiana izay nampanantenaina ny amin'ny hikarohana ireo ati-doha mikotrika izay tokony hampahafantarina ny vahoaka amin'ny maha raharaham-pirenena azy.

ALASORA : rongony milanja 47 kilao saron’ny Zandarimariam-pirenena

0
Lehilahy iray no saron’ny zandarimariam-pirenena nitondra rongony milanja 47kg teny Alasora ny alin’ny asabotsy lasa teo. Vokatry ny velapandrika ny alin’io ihany, olona 5 hafa no voasambotry ny zandary sy ny andrimasom-pokonoloana teny amin’ny kaominina Alasora ihany. 3 amin’ireo voasambotra no nikasa hanao kolikoly tamin’ny zandary ka nanolotra 4 tapitrisa ariary.