vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 11 janvier 2023

Fokontany Tsaramasay – Ankazomanga : trano maherin’ny 20 kilan’ny afo

0
Nisehoana haintrano ny antoandro teny amin’ny Fokontany Tsaramasay – Ankazomanga  ato anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatreto, tsy fantatra ny niandohan’ny afo saingy groupe électrogène iray no nipoaka nanampy ny firehetana hoy ireo nanatri-maso. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy nandritra izany, entana maro no lasa lavenona.

FAHARATSIN-DALANA RN2: hanatanteraka fitokonana fanairana ireo mpitatitra entana

0
Hanatanteraka fitokonana manomboka ny 15 janoary ho avy izao ireo mpitatitra entana amin’ny fiara vaventy mampitohy amin’Antananarivo amin’ny Toamasina. Fitokonana natao hanairana ireo tompon’andraikitra manoloana ny faharatsin-dalana amin’iny lalam-pirenena faharoa iny sy ny olana samihafa sedrain’ireo mpitatitra.

FJKM ao anaty Rova : ahitana fahasimbana ny tilikambon’ny fiangonana ary ahiana hiitatra

0
Ahitana fahasimbana ny tilikambon’ny Fiangonana FJKM ao anatin’ny Rovan’i Manjakamiadana ao amin’izao fotoana izao, saingy tsy mbola misy ny fanarenana nataon’ny tompon’andraikitra voakasika raha ny nambaran’ireo mpitaridia eny an-toerana. Nilatsaham-potaka iray volana lasa izay ity fiangonana ity ary ahiana ny hitaran’ny fahasimbana raha ny fanazavana.

VATOVAVY SY FITOVINANY : hamidy ny ankizy noho ny tsy fananana

0
Amidy eny an-tsena tahaka ny entana ireo ankizy latsaky ny 5 taona any amin’ny distrikan'i Ikongo,ny faritra Vatovavy sy ny faritra Fitovinany amin’izao fotoana. Fahantrana lalina iainan’ny mponinano antony hamarotana ireo ankizy raha ny fanazavana. Tsy misy tombam-bidy, rehefa mahazo volany ray aman-dreny, afaka mampisakafo ilay ankizy ny mpividy, vita ny fifampivarotana.

Fitantanam-bola tsy mazava : isan’ireo hanaovan’ny IGE fanadihadiana ny BNGRC

0
Isan’ireo voatonona ilàna hanaovan’ny Inspection général de l’etat fanadihadiana nandritry ny filan-kevitry ny ministra farany teo ihany koa ny BNGRC na ny birao nasionaly misahana ny lozavoajanahary. Misy fandaniam-bola tsy misy porofo tao anatin’ity sampan-draharaha ity raha nyfampitam-baovao, antony hanaovana ny fanadihadiana.

FAMOAHANA BOKY HOSOKA : miteraka fatiantoka ho an’ny trano famoaham-boky « original »

0
Tandindomin-doza ny asa fanoratana sy famoahana boky eto Madagasikara noho ny fisian’ny boky hosoka raha ny fanazavana. Ny fisian’ireo mpanao boky hosoka izay mitondra fatiantoka ho an’ny trano mpamokatra boky Malagasy.

ONG Graine de vie : potika ny tontolo iainana noho ny tsy fahaiza-mitantana

0
Ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra Fanjakana no mahatonga ny fahapotehan’ny tontolo iainana eto Madagasikara, hoy ny ONG Graine de vie. Vokatr’io, kivy ary hampihena ny asa tanterahany eto Madagasikara ity fikambanana ity, izay nisehatra tamin’ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana teto amintsika nandritry ny 14 taona.

Caméra de surveillance : nampihena ny tsy fandriampahalemana

0
Miara-misalahy amin’ny fampadriana fahalemana miaraka amin’ireo mpitandro filaminana ny Ministeran’ny fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra. Antony nametrahana ireo Caméra de surveillance amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Efa misy ny vokatra, ary hanatsara ny tontolon’ny fandriampahalena ireo fotodrafitr’asa ireo raha ny fanazavana. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izay natao sonia androany.