vendredi 29 mars 2024
Accueil 2023 janvier

Archives mensuelles: janvier 2023

FJKM : manana adidy hanoro sy hananatra ny Fiangonana

0
Manoloana ny toriteny izay natoan’ny mpitandrina teny Antsonjombe, nanamafy ireo mpitondra fiangonana sy mpino FJKM fa manana adidy hampianatra, hanoro sy hanitsy ny Fiangonana raha misy tsy mety. Nanamafy ankilan’izay ny Filohan’ny FJKM fa ho taonan’ny Finoana, taonan’ny Asa ary ho taonan’ny Fankatoavana ity taona 2023 ity.

Fifidianana filoham-pirenena : hotanterahina eo anelanelan’ny 19 Novambra sy 19 Desambra

0
Vinavinaina hotanterahina eo anelanelan’ny 19 Novambra sy 19 Desambra ny fihodianana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena araka ny nambaran’ny Mpampakatenin’ny CENI androany. Ankilany, tsy hiaraka amin’ny fifidianana filoham-pirenena na amin’ny fihodinana voalohany na amin’ny fihodinana faharoa kosa ny fifidianana kaominaly fa atao mitokana raha ny fanazavana.

Mpiasan’ny CTC Antananarivo : mitaky ny hanatanterahan’ny Fanjakana ny fampanantenana nomena

0
Mitaky ny hanatanterahan’ny fitondram-panjakana ny fampanantenana, ny amin’ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana raikitra ireo mpiasa teo anivon’ny CTC Antananarivo. Maherin’ny 700 izy ireo no voalaza fa horaisina tamin’izany fotoana, roa taona aty aoriana, tsy hita ny fanatanterahana io nambaran’ny filoham-pirenena io raha ny fanazavana.

Fonds mondial : hitohy ny famatsiam-bola hiadiana amin’ny Sida, tazomaka ary raboka

0
Tsy ampy hiadiana amin’ny aretina Sida, tazomoka ary raboka ny famatsiam-bola avy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny fonds mondial. Hamatsy vola tsy averina hiadiana amin’ireo aretina ireo manomboka ny taona 2024 – 2026 izy ireo. Mifanindran-dalana amin’izay, mitaky ny antoka avy amin’ny fanjakana Malagasy hiadiana amin’ireo aretina 03 ireo ny fonds mondial.

Jesosy Mamonjy Ankorondrano : niverina indray ny disadisa teo amin’ny samy mpino

0
Niverina indray ny disadisa eo amin’ireo mpino ao amin’ny fiangonana jesosy Mamonjy androany. Nitaky ny hidiran’izy ireo tao amin’ny fiangonana, hanatrika ny fotoam-pivavahana ireo mpino avy izay nisitaka teo aloha saingy tsy nanaiky ireo efa tao anatiny ka raikitra ny fifamaliana. Hitohy ny hetsika hahazoana ny fiangonana foiben’ny Jesosy Mamonjy Ankorondrano hoy ireo mpino.

ITAOSY : mitaraina noho ny kalitaon’ny ranon’ny JIRAMA ireo mponina

0
Mitaraina noho ny loton’ny ranon’ny JIRAMA ireo mponina eny Itaosy amin’izao fotoana. Andro maro izao, tsy azo sotroina ny rano raha ny fanazavana. Na ampangotrahina aza, marikivy ary mangidy mihitsy ny rano hoy ny fitarainan’izy ireo.

Canal des Pangalanes : tokony hisy ny fanarenana hoy ireo mponina

0
Manao antso amin’ny mpitondra Fanjakana ireo mponina ao Mananjary ny amin’ny tokony hanarenana ny Canal de Pangalane ao Mpangalana Sud, izay 6 km atsimon’i Mananjary. Miaka-bidy avokoa ny entana rehetra ary miaina ao anaty fijaliana ireo mpiampiasa iny renirano iny amin’izao fotoana raha ny nambaran’ireo mponina.

IKONGO : vonjy aina no atao ka nahatonga ireo Ray aman-dReny hivaro-janaka

0
Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra mahakasika ny tranga fivarotan-janaka ao amin’ny faritra Vatovavy sy ny faritra Fitovinany ankehitriny. Nazava anefa ny voalazan’ireo olom-boafidy avy ao amin’ny Distrikan’Ikongo fa misy io fivarotan-janaka io, ary Vonjy aina manoloana ny fahasahiranana mianjady no ataon’ireo Ray aman-dReny.

Vary : tsy mitsahatra ny fiakaram-bidiny eny an-tsena

0
Mananaika ny 950 ariary ny kapoaka amin’ny vary gasy raha ny fanadihadianana natao androany. Mirona any amin’ny vary stock na ihany koa mampihena ny vary arotsaka ny isan-tokantrano noho izany fiakaram-bidy izay.

Fokontany Tsaramasay – Ankazomanga : trano maherin’ny 20 kilan’ny afo

0
Nisehoana haintrano ny antoandro teny amin’ny Fokontany Tsaramasay – Ankazomanga  ato anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatreto, tsy fantatra ny niandohan’ny afo saingy groupe électrogène iray no nipoaka nanampy ny firehetana hoy ireo nanatri-maso. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy nandritra izany, entana maro no lasa lavenona.