Accueil 2023 janvier

Archives mensuelles: janvier 2023

UNICEF : mitaky ny hamerenana ny vola maherin’ny 3 miliara Ariary novatsiany

0
Mitaky ny hamerenana ny Vola novatsiany teo anelanelan’ny taona 2014 hatramin’ny 2019 ny tahirim-bola ny firenena mikambana ho an’ny zaza na ny UNICEF raha ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra omaly. Ankilany, nilaza ny manam-pahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenna fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ireo rafitra mpanara-maso ka antony fitakiana famerenam-bola ataon’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ankehitriny.

Fifidianana 2023 : tsy mamaritra izay mety ho safidy ny fizarana « Tee-shirt » hoy ny mponina

0
Tsy mampiova ny hevitra amin’izay mety ho safidy amin’ny fifidianana ho avy ny fizarana sy fandraisana ireo akanjo fampielezan-kevitra samihafa raha ny fanehoan-kevitr’ireo olon-tsotra sendra ny mpanao gazety androany. Maro amin’ireo olom-pirenena, indrindra ny any amin’ny tontolo ambanivohitra no mampiasa ireo akanjo fampielezan-kevitra ireo amin’ny andavanadro ary tsy liana amin’ny resaka politika amin’ny ankapobeny.

Tetikasa Ambatovy : tsy mbola misitraka ny tamberimbidy ireo kaominina voakasika

0
Tsy mbola misitraka ny taberimbidy tokony ho sitrahan’izy ireo amin’ny alalan’ny orinasa Ambatovy ireo kaominina 21 ao amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro voakasiky ny tetikasa raha ny nambaran’ireo ben’ny tanàna. Misedra fahasahiranana ankehitriny ireo kaominina taorian’ny fampihatoana ny fandoavana ny taberimbidy izay nataon’ny minisisteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny taona 2020, na eo aza ny fanohizan’ny tetikasa Ambatovy ny fandrotsahana ny tamberimbidy anatin’ny kitapobolam-panjakana ankehitriny.

Mahery Lanto Manandafy: nampiharina ny didim-pitsarana nivoaka ny taona 2020

0
Niverina any Antanimora androany indray i Mahery Lanto Manandafy, rehefa nivoaka ny faha- 31 desambra 2022 teo ny didy fampisamborana azy, mahakasika ny raharaha Benessy izay namoahana didim-pitsarana migadra heritaona an-tranomaizina any Ambalatavoahangy Toamasina.

Faharatsian-dalana : mitombo ora 3 ny dia amin’ny lalam-pirenena maro

0
Mihamafy ny fahapotehan’ny lalam-pirenena saika manerana ny Nosy amin’izao fotoana. Isany nanaovan’ny mpitatitra teo anivon’ny Gare Maki fanairana manokana ny lalampirenena faha-2, faha-4 sy faha-6. Ny faharatsian-dalana izay tsy maintsy ho tonga amin’ny fahatapahana tanteraka raha tsy misy ny fanamboarana indrindra amin’izao vanim-potoan’ny rotsak’orana izao.

Banky foiben’i Madagasikara : nametra-pialana noho ny olana ara-pahasalamana ny Governora

0
Nametra-pialana ankehitriny ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara RABARIJOHN Henri. Ny olana ara-pahasalamana no voalaza ho anton’ny fametraham-pialany raha ny loharanom-baovao teo anivon’ny Banky Foiben’ny Madagasikara androany. Andrasana anatin’ny filankevitry ny minisitra anio kosa ny fanampahan-kevitra horaisin’ny fitondram-panjakana manoloana izany.