vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 23 mars 2023

INDDL : tsy ampy ny hoenti-manana hampiofanana ireo Ben’ny tanàna

0
Tsy ampy ny hoenti-manan'ny INDDL, izay ivon-toerana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany mampiofana ireo rafitra itsinjaram-pahefana. Ankoatra io, vitsy ihany koa ny isan’ny mpampiofana oharina amin’ny isan’ny Kaominina eto Madagasikara. Antony mahatonga ny fandikan-dalàna ataon’ny Ben’ny tanàna sasany izay mitarika fampidirana am-ponja amin’izao fotoana.

Faculté de Médecine – Fianarantsoa : mankalaza ny « inter-semestre de la Faculté de Médecine »

0
4 andro no hanatontosana ny hetsika « inter-semestre de la Faculté de Médecine 2023 » ao Fianarantsoa, izay karakarain’ny Fianakaviam-ben’ny Faculté de Médecine de l’Université de Fianarantsoa. Fotoam-pivavahana sy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo Lauréat sy mari-pahaizana ho an’ny Mpianatra ary fihanianana ho an’ireo mpianatra nahavita fianarana no nisantarana izany omaly. Androany, notohizana tamin’ny asa sosialy teny anivon’ny Hopitaly tambohobe Fianarantsoa izay hetsika izay.

Lycée Analamahitsy : nankalaza ny taom-baovao,  ho fanehoana ny maha Malagasy

0
Nanao hetsika ho fankalazana ny taom-baovao Malagasy ihany koa ny teo anivon’ny Lycée Analamahitsy androany. Ny hetsika izay natao hanehoana ny soatoavina sy ny kolontsaina Malagasy.

Fiatrehana fifidianana : zava-dehibe ny fampivondronana ireo mpisehatra rehetra

0
Zava-dehibe ny fampivondronana ireo mpisehatra rehetra amin’izao fiomanana amin’ny fifidianana izao hoy ny teo anivon’ny FES Madagascar. Antony nahatonga azy ireo, hampiantso ireo Antoko Politika, fiarahamonim-pirenena, fikambanana isan-karazany, mpanao gazety sy ny marohafa hifampidinika sy hametraka fomba fijery iraisana.

SOS Vanille : tokony hametra-pialana ny Minisitry ny varotra fa mandika lalàna

0
Mitaky ny fametraham-pialan’ny minisitry ny varotra sy ny indostria, RAZAFINDRAVAHA Edgard ireo mpisehatra eo amin’ny lavanila ao amin’ny faritra SAVA, mivondrona ao anatin’ny SOS Vanille araka ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Noho ny fandikan-dalàna sy ny tsy fahafehezana ny asa no isany antony fitakiana hoy izy ireo. Ny SOS Vanille izay nanome fe-potoana 72 ora ny fanjakana hamahana ny olan’ny lavanila ary mandeha ny fanangogan-tsonia ireo mpiantsehatra rehetra amin’izao fotoana.

Taolagnaro : nohamafisina ny fitsirihana ireo rano avoaky ny orinasa mpitrandraka

0
Ny fitsidihana ny rano ampiasain’ny orinasa sy ny rano avoaky ny masinina mpitrandraka fasimainty no nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny rano tao Taolagnaro androany. Tsy maintsy manaraka ny fepetra takian’ny fanjakana amin’ny fahadiovan’ny rano, izay ampiasaina sy hiveloman’ny mponina manodidina ny toeram-pitrandrahana ny orinasa.

TAOM-BAOVAO MALAGASY : nankalazaina androany

0
Nakalazaina androany ny taom-baovao Malagasy amin’ny maha tsinan’ny Alahamady androany araka ny fandalinana nataon’ireo mpandala ny fomba Malagasy. Tahaka ny fankalazana andro fety rehetra, nisy ny lanonana miavaka nandraisana ny  taona vaovaon’ny Malagasy tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina androany.