Archives quotidiennes: 24 mars 2023

Zon’ny olom-pirenena : antoky ny filaminana ny fanajana azy

0
Zava-dehibe ny fahafantaran’ny vahoaka Malagasy fa misy solombavambahoaka mijoro, miaro ny Andrim-panjakana iray, hoy ny Filoha nasionalin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga raha naneho ny heviny mikasika ilay fanambarana nataon’ny Solombavambahoaka ny maraina teo. Antso avo efa nataon’ny antoko hatrizay ihany koa raha ny fanazavany ny tokony hanajana ireo olom-boafidy, na iza na iza.

HCDDED : tapitra androany ny fepotoam-piasany araky ny filan-kevitry ny minisitra   

0
Tapitra androany ny fepotoam-piasan’ny HCDDED, io no anisan’ny nisongadina tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly. Tsy araka ny tokony ho izy io fampitsaharana azy ireo io raha ny fanazavana mialoha nentin’ny filohan’ny HCDDED raha araka ny fotoana nandraisan’izy ireo ny asany sy ny nahazoany ny teti-bola nanatanterahan’izy ireo ny asany.   

 « Droit de sortie » : fanafoanana no nandrasana, fampitsaharana no azo

0
Tsy nahafa-po ny mpandraharaha anatin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana mahakasika ny DROIT DE SORTIE alaina amin’ny fanondranana ny vokatra harena an-kibon’ny tany. Raha fanafoanana tanteraka io tataon-ketra 15 hatramin’ny 20 % io no nangatahana, ny vokatra tokony aondrana ny taona 2022, izay tsy mbola lasa hatramin’izao ihany no nahazoana izay fanafoanana ny Droit de Sortie izay araka ny tapaky ny teo anivon’ny Fadintseranana.

Firaisamonim-pirenena sy antoko Politika : miantso ny fanavaozana ny Lalàm-pifidianana 

0
Miantso amin’ny fanavaozana ny lalàm-pifidiana mandritran’ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera ho avy izao ankehitriny ireo antoko politika miisa 11 resy lahatra mikasika ny zotram-pifidianana azo antoka sy mangarahara. Io no isan’ireo teboka lehibe nivohitra   taorian’ny dinika izay nikaonan-doha mikasika ny toe-draharaha mialohan’ny fifidianana notanterahin’ny FES sy ireo firaisamonim-pirenena niaraka tamin’ireo antoko politika samihafa.

Solombavambahoaka : manahy ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha

0
Manahy ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara  ary eken’ny rehetra ireo Solombavambahoaka nametraka ny taky teny anivon’ny HCDDED mikasika ilay Fitsipaham-pitokisana, araka ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Tsy ho azo antoka fa hitsara ara-drariny sy araky ny lalàna ireo fifidianana hifanesy eto amin’ny Firenena ny HCC hoy izy ireo ka mety hiteraka Krizy.

Sambava : niha-nafana ny toe-draharaha noho ny olan’ny seha-pihariana lavanila

0
Nodoran’ireo mpisehatra ny lavanila tao amin’ny distrikan’i Sambava noho ny tsy fisian’ny mpividy. Tapitra ny fe-potoana 72 ora nomn’izy ireo ny fanjakana hamahanan ny olana, hanafoanana ny CNV sy hanalalahana ny tsna saingy tsy nisy valiny izany ka nahatonga azy iro nidina an-dalambe nilanja sora-baventy. Ny tranga tany an-toerana izay hitarafana ny zava-misy eto amin’ny firenena ka tokony ho malina sy andray lesona avy amin’izany ny tsirairay hisorohana ny mety ho fiverenana amin’ny krizy.