mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 mars 2023

Olan’ny Orinasa SECREN : vokatry ny tsy fanajana ny fitsinjaram-pahefana

0
Miezaka mampahafantatra ny vinam-piarahamonina hahahafana mampandroso an’i Madagasikara ny antoko MMM amin’ny fitetezam-paritra ataony. Tafiditra amin’izany ny fakan-kevitra avy amin’ny vahoaka eny ifotony. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Filoha Hajo ANDRIANAINARIVELO izay namoaboasana ny hoe « Fitsinjaram-pahefana eo amin’ny tontolon’ny varotra sy ny toekarena », tao amin’ny Hotel de la Poste, Antsiranana omaly. Tsapan’ny mpizaika fa vokatry ny tsy fampiharana araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana no mahatonga ny olan’ny orinasa SECREN.

Fivahinianana Masina

0
Mila mampifandray finoana amin’ny asa ny kristianina. Mila fiomanana ny paka hoan’ny mpino. Vanimpotoana handinihana ny famonjena izay mifototra indrindra amin’ny hazo fihaliana. ary ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitra eo amin’ny firenena ny kristiana mba hanjaka ny fahamarinana sy fahitsiana fa sahirana ny vahoaka malagasy amin’ny harena maro ananany. Mila mihavao ara-panahy sy mivelona ny finoana ny kristiana amin’izao fahatongavan’ny Paka izao hoy Mgr Marc Benjamin RAMAROSON Arsevekan’i Diosezin’Antsiranana nandritra ny fivanianana masina teto amin’ny La Montagne de Français ny maraina teo.

Informatique sy Web : malakaka ny sehatra ary ahazoana asa maro

0
Malalaka ny sehatry ny Informatique sy ny Web amin’izao fotoana ary hahafahana mahazo asa ho an’ny tanora maro. Ilaina ary zava-dehiba manoloana izany anefa ny fianarana sy ny fiofanana, izay miankina amin’ny fahavononana sy ny fahaizan’ny tanora tsirairay avy.

Lola RASOAMAHARO : nitaky vola mitentina 885 Tapitrisa Ariary tamin’ny mpitory azy

0
Vola mitentina 885 Tapitrisa Ariary no voalaza ho notakian’i Lola RASOAMAHARO tamin’ny mpitory azy, ka nahatonga azy naiditra vonjimaika any am-ponja omaly. Nilaza ihany koa ny mpitory fa nisy fampitahorana sy ny fanalana baraka nataon’ilay tompona orinasa fanaovan-gazety. Tranga izay tsy misy hifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety raha ny fanazavana hatrany.

Vakinankaratra : ratsy kalitao ny ovy  noho ny  tsy  fahampian’ny Zezi-bazaha

0
Nahitana fiakarany ny vidin’ny ovy ao amin’ny faritra Vakinankaratra raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo tantsaha mpamokatra any an-toerana. Ratsy ihany koa ny kalitaon’ny vokatra tamin’ity taona ity raha mitaha tamin’ny taon-dasa. Anton’izany ny fahalafosan’ny zezi-bazaha izay tsy maintsy ampiasain’ izy ireo eo amin’ny fambolena. Eo ihany koa ny faharatsian’ny lalana izay miteraka fatiantoka eo amin’ny fitaterana ny vokatra.