vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 28 mars 2023

Vakinankaratra  : tsy ampy ny isan’ireo mpiandry fonja any an-toerana

0
Miotra lavitra amin’ny isan’ireo voafonja amin’izao fotoana izao ny isan’ireo agent penitiaire na ireo mpiandry fonja miasa amin’ireo toerana  fandraisana an-tanana ireo voafonja  ao amin’ny faritra vakinankaratra.  Raha ny fanadihadina natao dia  tsy ampy arak’izany ny isan’ireo mpiandry fonja eo ihany koa ny tsy fahalavorarian’ny  foto drafitrasa  andraisan’ireo voafonja raha nambaran’ny Talen’ny fitaliavam-paritra ny fandrarahana ny fonja any an-toerana.

ALA VOAJANAHARY : 5 alina hatramin’ny 1 hetsy hektara isan-taona  no very

0
Tsy hisy ala intsony eto Madagasikara afaka 30 taona noho ny fahaverezana be loatra nanomboka ny taona 2009 hoy ny Alliance Voary Gasy androany. Ankoatra ny filàn’ny olona, manampy trotraka ny fanondranana isan-karazany ny ala eto amitsika. Ny fambolen-kazo izay natao hanarenena ireny, lasa fisehosehoana fotsiny ihany ankehitriny ary tsy ampy na tsy misy mihitsy aza fanaraha-maso ny zanakazo novolena.

Lalam-pirenena faha-02 : tapaka nandritra ny 24 ora

0
Fifandonana camion mpitondra omby sy mpitatitra entana tao amin'ny tananan'i Soakambana  Marozevokely  omaly maraina no niteraka fotoanan'ny lalam-pitenena faharoa nandritry  ny 24 ora. Efa hatramin'ny omaly mihitsoka ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenenea faha-02 noho ity lozam-pifamoivoizana ity.

Minisiteran’ny varotra : tsy mihemotra amin’ny fameram-bidy sy ny CNV

0
Tsy mihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria manoloana ny olan’ny seha-pihariana lavanila. Tazomina ny fameram-bidy raha ny fanazavana, tsy ho foanana ihany koa ny CNV fa ireo no vahaolana hitan’ny fanjakana. Fepetra izay iarahan’ny rehetra nahita fa tsy nahomby saingy izao hikirizan’ny fanjakana izao.

ORDRES DES AVOCATS : nitory ilay manam-pahefana nanao herisetra tamin’ny mpisolovava nanao  ny asany tany Taolagnaro

0
Tsy manaiky ny fandikan-dalàna sy ny herisetra nataona mpitandro ny filaminina iray tamina  mpisolovava am-perin’asa tany Taolagnaro ny holafitry ny mpisolovava raha ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Samy nitory io mpitandro ny filaminana io avokoa noho izany, na ilay mpisolovava niharan’ny herisetra, na ny holafitry ny mpisolovava.

LISI-PIFIDIANANA : avy eny amin’ny foibe no mahatonga ny « doublon »  hoy ny Fokontany

0
Tsy avy eny anivon’ny Fokontany ny mahatonga ny fiverenan-droa ny anarana ao anaty lisitry ny mpifidy na ny doublon hoy ny sefo fokontany nanaovana fanadihadiana androany. Manaporofo izany ny dingana maro arahin’izy ireo mialohan’ny hampidirana ny anaran’ireo mpifidy anaty lisitra. Mampikorontana ireo mpisoratra anarana ankilany ny fanentanana samihafa mivaona hataon’ireo mpanao politika sasany izay isan’ny antony mampalaina ny olona hanoratra anarana ihany koa raha ny fanazavana.

OMS – Raiamandreny ara-drazana : hiara-hiasa manomboka izao

0
Isan’ireo firenena manana taha ambany eo amin’ny fanaovam-baksiny i Madagasikara raha eto amin’ny Kaontinanta Afrikana. Manoloana izany, paikady entin’ny OMS ny fiaraha-miasa amin’ireo raiamandreny ara-drazana hampitomboana ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto amintsika na hiadiana amin’ny COVID-19 izany na iroe aretina hafa.

Vondrona iraisam-pirenena : zava-dehibe ny hitohizan’ny fifanakalozana mikasika ny fifidianana

0
Namoaka fanambarana miaraka mikasika ny dinika fifanakalozan-kevitra manodidina ny zotram-pifidianana nokarakarain’ny CENI ny Vondrona iraisam-pirenena, ahitana ny Nations Unies eto Madagasikara, Ny Vondrona Eropeana sy ny Vondrona Afrikana, ny PNUD sy ny OIF. Zava-dehibe ny fanohizana ny fifanakalozan-kevitra mba hisian’ny fifampitokisana sy hametrahana filaminana hoy izy ireo.