Archives quotidiennes: 30 mars 2023

29 MARS 1947 : feno 76 taona ny tolom-panafahana

0
Feno 76 taona androany ny nisian’ny tolom-panafahana na tolona nataon’ireo maherifo Malagasy hoan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Nisy araka izany ny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny lanonana ara-miaramila teny amin’ny fasan’ny mahery fo teny Avaratr’Ambohitsaina, Mausolée ho mariky ny fahatsiarovana azy ireo izay notarihinny filohan’ny repoblika. Nisy ihany koa ny fametrahana fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangambato Ambohijatovo taorian’izay.   

Commune Rurale Amboditandroho: mandoa hetran’omby tsy misy rosia ny mpiompy

0
Miaina ao anaty tebiteby sy tahotra ireo mpiompy omby ao anatin'ny commune Rurale Amboditandroho ao anatin'ny distrikan'ny Toamasina faha-2 iny vokatry ny fiasan'ny tompon'andraikitra amin'ny fikirakirana taratasin'omby, tsy voafaritra mazava ny vola takiana ary tsy mahazo rosia ihany koa ireo izay mandòa vola.

29 Mars ANTSIRABE I : nahilika ny Solobavambahoaka avy amin’ny Antoko TIM

0
Tsy navela nametraka Fehezam-boninkazo niaraka tamin’ireo manam-pahefana tao Antsirabe ny Solobavambahoaka vofidy tao amin’ny disitrikan’Antsirabe I avy amin’ny antoko TIM io maraina io nandritra ny fanamarihana ny andron’ny 29 martsa tany an-toerana. Fanaovana tsinontsinona ny vahoak’Antsirabe sy endrika ambadika politika ny toy izao raha namarabaran’ity solombavambahaoka ity rehefa nitafa tamin’ireo mpanao gazety.

Kaominina Bembary : efa miasa ara-dalàna ny CSB ao amin’ny Fokontany Mandrota

0
Mamaha ny olam-bahoaka ao amin’ny fokontany Mandrota kaominina Bembary ny fametrahan’ny kaominina sy ny mpiara-miasa amin’ny loholon’i Madagasikara avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga ao amin’ny faritanin’i Toamasina ny tobim-pahasalamana ambaratonga fototra ao an-toerana. Afaka manaraka fitsaboana eo anivon’ity tobim-pahasalamana ity avokoa ny rehetra amin’izao fotoana izay taorian’ny iray volana nahavitany.

Fikasian-tanana mpitondra Bajaj : miisa 2 ireo naiditra am-ponja vonjimaika any SAMBAVA

0
Lehilahy miisa 2 ankehitriny no fantatra fa naiditra amponja vonjimaika any Sambava taorian’ny tranga fanakanana sy fikasian-tanana mpitondra Bajaj nanao ankanjon’ny antoko eo amin’ny fitondrana ankehitriny ny herinandro lasa teo.  Nisy ny toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra nikarohana ireo nanao ny fanararaotana nandritran’ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpandraharaha lavanila tany an-toerana izay nihafara tamin’ny fisamborana.

Fianarantsoa : tsy ahitana firy intsony ireo bekotro maroholatra

0
Tsy dia niova fa toy ny isan-taona ny fankalazana ny datin’ny  19 mars tao FIANARANTSOA izay tsy ahitana firy intsony ireo bekotro maroholatra.  Mitoetra anefa ny tantara ka  Tsangambato roa no manan-tantara natokana ho an’ireo mahery fon’ny firenena eto Fianarantsoa, izay samy nomena ny hajany avokoa tamin’ity andron’ny androany ity.

Maison de retraite – Moramanga : tsy vita ny asa fananganana 2 taona mahery aty aoriana

0
Tsy tafantsangana hatramin’ny androany ny trano hatokana ho an’ireo bekotro maro olatra sy zokiolona velona tamin’ny tolona 29 Martsa 1947 hapetraka ao Moramanga 2 taona mahery aty aorian’ny nanatanterahina ny fametrahana ny vato fototra tany an-toerana. Ny Maison de retrait izay natao hitsinjovana ireo zokiolona  any Moramanga raha ny fanazavana.