Accueil 2023 mars

Archives mensuelles: mars 2023

Fikasian-tanana mpitondra Bajaj : miisa 2 ireo naiditra am-ponja vonjimaika any SAMBAVA

0
Lehilahy miisa 2 ankehitriny no fantatra fa naiditra amponja vonjimaika any Sambava taorian’ny tranga fanakanana sy fikasian-tanana mpitondra Bajaj nanao ankanjon’ny antoko eo amin’ny fitondrana ankehitriny ny herinandro lasa teo.  Nisy ny toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra nikarohana ireo nanao ny fanararaotana nandritran’ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpandraharaha lavanila tany an-toerana izay nihafara tamin’ny fisamborana.

Fianarantsoa : tsy ahitana firy intsony ireo bekotro maroholatra

0
Tsy dia niova fa toy ny isan-taona ny fankalazana ny datin’ny  19 mars tao FIANARANTSOA izay tsy ahitana firy intsony ireo bekotro maroholatra.  Mitoetra anefa ny tantara ka  Tsangambato roa no manan-tantara natokana ho an’ireo mahery fon’ny firenena eto Fianarantsoa, izay samy nomena ny hajany avokoa tamin’ity andron’ny androany ity.

Maison de retraite – Moramanga : tsy vita ny asa fananganana 2 taona mahery aty aoriana

0
Tsy tafantsangana hatramin’ny androany ny trano hatokana ho an’ireo bekotro maro olatra sy zokiolona velona tamin’ny tolona 29 Martsa 1947 hapetraka ao Moramanga 2 taona mahery aty aorian’ny nanatanterahina ny fametrahana ny vato fototra tany an-toerana. Ny Maison de retrait izay natao hitsinjovana ireo zokiolona  any Moramanga raha ny fanazavana.

Nicolas Dupuis : nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny Barea

0
Nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny Barea de Madagascar intsony androany i Nicolas Dupuis raha toa ka ny volana Septambra ho avy izao no efa nambarany fa hifarana ny fitarihany ny ekipam-pirenena Malagasy. Anton’izany raha ny fanazavana ny afahan’ireo teknisianina mandray an-tanana avy hatrany ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar amin’ny fifanitsanana CAN 2023.

RAZANADRAINIBE MARIE : nahazo titre ny taniny izay saika hisy haka

0
Iray volana latsaka taorian’ny nitondrana teto amin’ny fampahalalam-baovao ny fitarainan’i Bebe Marie, renim-pianakaviana 97 taona izay nisy nikasa haka ny taniny, nomen’ny fanjakana ny titre manamafy ny maha azy ny tany. Hafaliana arak’izany ny an’ity renim-pianakaviana ity noho ny fifanohanana eo amin’ny samy Malagasy.

FANAPARAM-PAHEFANA : mety hiteraka hatezeram-bahoaka

0
Nahazo vahana tato ho ato ny fanaparam-pahefana, izay miseho amin’ny endriny maro ary efa tonga hatrany amin’ny fikasian-tanana mihitsy aza. Tokony ahafantatra ny fetran’ny fahefana ananany ny olona iray nomena izany hoy ny Antoko politika madio, Tokony hisy ihany ny fampiharana ny lalàna amin’izy ireny, azo adika ho fanitsakitsahana ny lalàna ny fanaovana fanamparam-pahefana raha ny fanazavana.

Seha-pihariana jono : 16 tapitrisa dolara no very isan-taona ho an’i Madagasikar

0
16 tapitrisa dolara eo isan-taona no very ho an’i Madagasikara amin’ny seha-pihariana jono araka ny tarehimarika avy amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Manana ireo sambo haingam-pandeha ny sampandraharaha fanaraha-maso ny jono saingy ilàna paikady ny fampiasana izany noho ny fandaniana ilaina eo amin’ny solika.

CENI : efa ao anatin’ny fandravonana ny hevi-dehibe ny CENI Lancement

0
Hirosoana amin’ny fandravonana ireo hevi-dehibe taorian’ny fakan-kvitra ny Zoma lasa teo ny CENI hoy ny filohany. Hatreto, tsy mbola nisy ny fanambaran’ireo mpiara miombon’antoka na hamatsy vola na tsia ho fanatanterahana ny fifidianana.

SEHA-PIHARIANA LAVANILA : fanambakàna ny fifanarahana napetraky ny ministeran’ny varotra hoy Serge Zafimahova

0
Hisedra olana avokoa ireo mpamokatra sy mpandraharaha madinika amin’ny seha-pihariana lavanila fa indrindra ny fanjakana Malagasy manoloana ny fanapahan-kevitra sy fifanarahana napetraky ny ministeran’ny varotra sy ny fanjifana momba ny tsenan’ny valanila hoy ny mpahay toe-karena. Tombotsoan’olom-bitsy no tena arovana ao anatin’ilay fifanarahana raha ny fanazavana hatrany.

Mananara Avaratra : nanao fihetsiketsehana indray ireo mpikirakira ny vokatra lavanila

0
Taorian’ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpandraharaha lavanila tany Sambava farany teo, manome 72 ora ny fitondrana hamahana ny olana misy mahakasika ny vokatra lavanila ihany koa ireo mpandraharaha any Mananara Avaratra. Nanatanteraka fihetsiketsehana tamin’ity androany ity ireo mpikirakira ny vokatra tany an-toerana narahan’ireo hetsika maro samihafa.