vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 avril 2023

Fitondram-panjakana: matetika mandray fanapahan-kevitra tsy am-piheverana

0
Henatra ho an’ny vahoaka Malagasy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana izay manohitohina ny Demokrasia hoy ireo mpanao politika sy mpandinika ny raharaham-pirenena androany. Ny vondrona iraisam-pirenena no manaitra ny fanjakana manoloana ny fandikana ny lalàm-panorenana sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara.

FASAN’NY KARANA : ho hentitra ny fanaraha-maso ireo mpivezivezy amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao

0
Nandray fepetra hisorohana ny amin’ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanararaotana fampiakarana saran-dalana amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao androany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana. Harahi-maso manoloana izany ireo mpamily sy mpandeha mandray zava-pisotro misy alikaola, ireo mikasa ny hampiakatra saran-dalana ary ireo olona mivezivezy ao anatin’ny tobim-piantsonana.

Fitondranam-panjakana : tsy mahay maka lesona amin’ny tantara

0
Tsy mahay maka lesona amin’ny tantara ny fitondrana ankehitriny, tsy mahagaga raha tsy misy ny fandrosoana hoy hatrany ny fanehon-kevitr’ireo mpanao politika sy olom-boafidy manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Ho sarotra ny andamina ny toe-draharaham-pirenena raha izao fahasahiranam-bahoaka izao no hipoaka raha ny fanazavana.

Mangily Toliara : olona 03 mpanondrana sokatra an-tsokosoko no tratra

0
Olona 03 mpanondrana an-tsokosoko ireo sokatra avy any Atsimo no sarona tao Mangily Toliara ka natolotra ny fampanoavana androany. Alefan’izy ireo Taxibrousse amin’ny alalan’ny Colis ireo sokatra ka misy mandray rehefa tonga amin’ny toerana handefasana azy.

JIRAMA : karohin’ny BIANCO  ireo tale jeneraly teo aloha

0
Mifampiaro amin’ny zavatra ratsy sisa ny mpitondra amin’izao fotoana raha ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka manolona  famoahana fikarohana sy ny didy fampisamborana  ireo Tale Jeneralin’ny JIRAMA teo aloha, navoakan’ny BIANCO. Ilay raharaha " Prime Exceptionnelle" nozaraina ny taona 2021 raha tsiahivina no hiampagana azy ireo.

Fahafahana maneho hevitra : fototry ny Demokrasia

0
Maro ny fanehoan-kevitra niseho taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana Malagasy ny amin’ny famerana ny famoriam-bahoaka, izay tsy maintsy atao anaty efitrano. Isan’izany ireo fiarahamonim-pirenena, olon-tsotra, mpanao politika sy ny maro hafa, ary vao omaly, namoaka fanambarana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amin’i Madagasikara.