Archives quotidiennes: 11 avril 2023

TOAMASINA : hitokona tsy hiasa ireo mpitondra Tuctuc manomboka rahampitso

0
Hitokona tsy hiasa ireo TucTuc rehetra ao Toamasina manomboka rahampitso hoy ny mpitarika ny Fikambanana FTUCMT (Fikambanan'ny TUCTUC Miray Toamasina) tahorian'ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana androany maraina teo amin'ny lalana mivoaka an'ny Toamasina mihazo ny lalam-pirenena faha-5, ireo mpitondra TucTuc izay nikasa hitondra ireo fianakaviany hitsangatsangana.

Alatsinain’ny Paska : nisafidy ny hiala sasatra avokoa ny ankamaroan’ny olona

0
Faritra mato teto Andrenivohitra no nahitana olona maro tonga nialasasatra amin’izao alatsinainy ny paska izao. Fotoana hialana voly sy hiarahana amin’ny fianakaviana izao raha ny fanazavan’ireo olona nanaovana fanadihadiana.

JESOSY MAMONJY : ahiana hiitatra amin’ny adim-poko ny olana miseho

0
Mitohy hatrany ny disadisa eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy amin’izao fotoana. Ny alahadin’ny Paka omaly, teny Tsarahonenana, tsy navela hivavaka teo an-tokotanim-piangonana ireo mpino. Ny fiangonana rahateo efa tsy mahazo misokatra intsony noho ny fanakatonana avy amin’ny Prefet.  

Fianarantsoa : nilamina amin’ny ankapobeny ny alatsinain’ny Paska

0
Nilamina ary tsy nahitana korontana ny fankalazana ny alatsinain’ny Paska tao Fianarantsoa. Maro ireo toerana azo nialana sasatra ka nalalaka tsara ny rehetra tamin’ireo safidy azo noraisina. Na izany aza, hita fa tsy naresaka toy isan-taona ny fankalazana raha ny hita teny rehetra eny.

Alatsinain’ny Paska : nilamina amin’ny ankapobeny ireo fety aman-danonana

0
Nilamina amin’ny ankapobeny ireo fety aman-danonana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina tamin’ity Alatsinain’ny Paka ity. Tomefy olona avokoa ireo toerana nanaovana fampisehoana rehetra, toy ny teny amin’ny Kianja Maitso Bevalala.