Archives quotidiennes: 12 avril 2023

Droit de sortie : ilaina ny fifanantonan’ny mpisehatra rehetra

0
Tsy araka ny tokony ho izy ny « valeur » nambaran’ireo mpanondrana harena an-kibon’ny tany, antony nametrahana ny « droit de sortie » hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fadintseranana androany. « Valeur de référence » nifanarahan’ny mpandraharaha sy ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany no ampiasaina ankehitriny hoy ny SYNPROMINE – Mad, ka tsy mitombona io fanazavana io. 

BRICS : mitombo ireo firenena maniry ny hiditra ho mpikambana

0
Mitombo isa ankehitriny ireo firenena maniry ny hiditra ho mpikambana anatin’ny BRICS, izay nahorin’ny Brésil, Russie, Inde, Chine ary Afrique du Sud eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny BRICS izay namorona ny Nouvelle banque de développement ho fanatanterahina ny asam-pampandrosoana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ho an’ireo firenena mpikambana ao aminy. Tombony ho an’ny Madagasikara ny ahafahana misokatra amin’ireo firenena sy vondrona hafa toan’ny BRICS ahafahana manatanteraka ireo asa fampandrosoana raha ny nambaran’ny mpahay toekarena.

Hafatry ny Fiangonana : nifantoka tamin’ny raharaham-pirenena

0
Saika nifantoka tamin’ny fiainam-pirenena indrinra ny fifidianana ny hafatra nentin’ireo mpitondra fiangonana nandritra ny fetin’ny paska. Hafatra izay mifono hevidehibe ary  fampatsiahivina ireo mpino ny fiainana maha kirisitianina. Namafisin’ireo mpitonda fiangonana fa « tsy ny ratsy no tompon’ny teny farany fa ny tsara » ary nasongadin’izy ireo ihany koa ny antony mampikoroso ny firenena ankehitriny.

Famaranana Vonjimaika ny lisi-pifidianana : 9 623 662 ireo voasoratra anarana ara-dalàna

0
Manana 20 andro aorian’ny fahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany ankehitriny ny olom-pirenena hanao ny fitsirihana  sy ny fanintsiana ny momba azy anaty lisim-pifidianana nofarana vonjimaika nanomboka androany raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny CENI. Mahatratra 70,80% ny tanjona napetraky ny CENI hatreto ny tahan’ny olom-pirenena tafiditra anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana.

Vovo-bolamena hosoka : tetika entina hisolokiana vola aman’hetsiny

0
Mirongatra amin’izao fotoana ny asa fisolokiana amin’ny alalan’ny vovo-bolamena hosoka eny amin’ny fiarahamonina. Tambazotra iray ahitana olona maro no miray tsikombakomba amin’izany.  Iray amin’ireo sendran’ny mpanao ny asa ratsy  no nijoro vavolombelona amin’ity fandihadiana manaraka ity. Vola 5 hetsy miaraka amin’ny entana sarobidy teny ambozona no lasan’ireo mpisoloky raha ny fanazavana.

Distrikan’i Fianarantsoa : miisa 86 246 ireo olom-pirenana tafiditra anatin’ny lisi-pifidianana

0
86.246 io no isan’ireo voasoratra anarana ao anatin’ny lisim-pifidianana amin’ireo Arrondissement 7 mandrafitra ny Distrikan’i Fianarantsoa, na dia mbola manjavojavo ny fanarahana ireo teti-andro napetrakin’i CENI mahakasika ny fisoaratana anarana amin’io lisitry ny mpifidy io dia ny fanamarina ny anarany ihany no azon’ny olom-pirenena atao hatreto. Iankinan’ny fianinam-pirenena ny Fifidianana ka tsy tokony atao ambanin-javatra.

Mahajanga I : 79 % n’ny olompirenena no voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy

0
Mbola tsy tratra ny tanjona raha ny zavamisy hita nandritra ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ho an'ny Distrikan'i Mahajanga Voalohany. Androany 11 Aprily no tetiandro hamaranana izany vonjimaika.