vendredi 26 avril 2024
Accueil 2023 avril

Archives mensuelles: avril 2023

Distrikan’Ankazoabo : manampatra fahefana ny Solombavambahoaka hoy reo mponina

0
Velontaraina manoloana ny fanararaotam-pahefana ataon’ny Solombavambahoaka ao Ankazoabo ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Nofoanan’ny Solombavambahoaka tamin’ny alalan’ny fametrahana andrimasom-pokonolona ny dinabe izay antoka iray nampirindra ny fandriampahalemana araka ny nambran’ireo mponina.

Fanomanana ny fifidianana : kitoatoa ny asan’ny CENI hoy ny mpanao politika

0
Tsy tena mahaleotena tanteraka ny CENI amin’ny fanapahan-kevitra raisiny hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM. Tsy manana fahefana mitondra ny hetahetan’ieo antoko politika ho fanatsarana ny fanomanana ny fifidianana izy ireo raha ny fanazavana.

Eid Moubarak : fomba fanao ny manomana karazana mofo omena ireo mpamangy

0
Manokana andro iray manontolo hikarakarana ny karazana Mofo hoentina handraisana ireo mpamangy isantokatrano amin'ny fotoan'ny Eid Al Fitr ireo vehivavy mpino silamo ka tsy diso anjara tamin'izany ny tao Mahajanga. Faitra maro ihany koa raha ny fantatra no nankalaza ny andron’ny Eid Al Fitr tamin’ity androany ity, fotoana izay namaranana ny volana masina Ramadan.

FAMERANA FAMORIAM-BAHOAKA : tokony hitovy ny fampiharana ny fepetra hoy ny KMF – CNOE

0
Mitaky ny hanafoanana na hampitoviana ny fampiharana ny fepetra mahakasika ny famerana ny famoriam-bahoaka nataon’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny 31 Martsa teo ny KMF – CNOE fanabezana olom-pirenena. Fanohintohinana ny fenitra demokratika sy fanararaotana ataon’ny fanjakana ity famerana famoriam-bahoaka ity ka tokony hiverina amin’ny lalàm-panorenana na ny lalàna mikasika ny famoriam-bahoaka ny fanjakana.  

Mozea Rainilairivony : nisokafana tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Nisokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Mozea Rainilaiarivony eny Amboditsiry, anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nohavaozina ity toeram-ponenan’ny praiminisitra Rainilaiarivony ary sokajiana ho isan’ireo vakoka manatantara manomboka izao.

Faritra Vatovavy sy Fitovinany : mihitatra ny mosary, tsy zarizary ny fiainan’ireo mponina

0
Mihamafy ny fahasahiranana ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany amin’izao fotoana. Mitohy arak’izany ny fahafatesana vokatry ny fihinanana sakafo tsy zarizary indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy hoy ireo mpiaro ny zon’olombelona. Manao antso avo amin’ny fanjakana foibe arak’izany ireto farany hijery akaiky ny tranga misy ao amin’ny distrikan’i manakara ankehitriny.

Madagascar Airlines : nahazo ny « certificat de  transporteur aérien » sy ny « Licence d’exploitation » 

0
Navoakan’ny ACM na ny Aviation civile de Madagascar omaly ny « certificat de  transporteur aérien » sy ny « Licence d’exploitation » ny kaompany mpitaterana  an-habakabaka Madagascar airlines. Feno arak’izany ny fepetra maha kaompany nasionaly Malagasy  ny Madagascar Arlines, saingy hofaina avokoa ireo fiaramanidina ampiasaina ao anatin’ny kaompany. Fepetra izay mila fahaizana mitantana hoy ireo mpahay toekarena.

Fifidianana kaominaly : tsy voaresaky ny CENI sy ny fitondram-panjakana

0
Tsy voaresaky ny fitondram-pajakana sy ny CENI hatramin’ny androany ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly na efa voalaza fa tokony amin’ity taona ity ny tokony hanatanterahana izany miaraka amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Misy kajikajy politika ambadika hoy hatrany ny mpanao politika raha tsy tontosaina amin’ity taona ity ny fifidianana kaominaly.

Datim-pifidianana : andrasana ny didim-panjakana avoakan’ny governemanta

0
Mampiseoa ny tsy fahavononan’ny fanjakana hanatanteraka ny fifidianana ny zava-misy ankehitriny hoy ireo mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena. Manaporofo izany ny tsy mbola fivoahan’ny didim-panjakana manamafy ny daty izay navokan’ny CENI ka iantsoana ny mpifidy. Eo ihany koa ny tsy fahafenoan’ny tetibola ahafahana manatanteraka ny fifidianana.

IFVM Toliara : ahiana hiparitaka manerana ny nosy ny andiam-balala vokatry ny fitokonan’ny mpiasa

0
Enim-bolana tsy nandray karama ireo mpiasa ao amin’ny Ivontoerana Famongorana ny Valala any Toliara ary niroso tamin’ny hetsika fitakiana ny zon’izy ireo. Manoloana ity fitokonan’ny mpiasa ity, mirongatra indray ny andiam-balala amin’ny distrika maro ao amin’ny faritra  Atsimo Andrefana izay mamotika voly amin’hektara maro.